• Alarobia 14 Oktobra 2015
Sport.Badminton – Meeting International Hikarakara fifaninanana iraisam-pirenena ny Baobad

Vao telo taona nisiana ny klioba Baobad eny amin’ny Slita Tanjombato nefa efa mihetsiketsika fatratra ary hikarakara « Meeting International ». Ny 16-17 oktobra izao no hanaovana io fifaninanana io eny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 14 Oktobra 2015
Sport.VTT – Mbike Adventure Lasan’i Emile sy Dama ny dingana voalohany

Raikitra nanomboka omaly ny dingana voalohany amin’ilay fifaninanana iraisam-pirenena fanamoriana VTT ka teny amin’ny Croc Farm Ivato no nanaovana izany ary halaviran-dalana nirefy 15,5km no nodiavin’ireo mpifaninana, ekipa olon-droa isanisany.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 14 Oktobra 2015
Sport.ASCUT Basket ball Tsy hitsangantsangana no haleha any Angola

Tsy hitsangantsangana no handehananay any Angola hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny volana desambra ho avy izao, hoy Atoa Mbola Rajaonah filohan’ny klioba mpilalao basikety ASCUT na ny Association Sportive de la Commune Urbaine de Tamatave, fa hiaro ny voninahitry ny tanàna niaviany voalohany indrindra sy hiaro koa ny voninahi-pirenena sy ny voninahitry ny Oseana Indiana vao nahavoahosotra anay ho tompondaka farany teo.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 14 Oktobra 2015
Sport.Lalao « Foot à 11 » ASSCA Avaradrano Hiditra amin’ny andro faha-7 amin’ny sabotsy

Hiditra amin’ny andro fahafito sahady ny fifaninanana foot à 11 karakarain’ny Amitie Sportive et Socio-Culturelle Avaradrano ho an'ny sokajy 15, 17 taona ary ny senior sy ny véteran « COUPE DE NOEL 2015 » eny amin’ny kianjan’ny kaominina Ankadikely ny sabotsy 17 oktobra 2015 ho avy izao ka ny sokajy 17, 15 taona ary ny sokajy senior no hiakatra kianja amin’io fotoana io.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 13 Oktobra 2015
Sport.VTT – Mbika Adventure Hifampitana ny ekipan-dry Celestin sy ry Emile

Raikitra manomboka anio ilay fifaninanana hazakazaka am-bisikileta tsy mataho-dalana na VTT « Mbike Adventure » izay hitety an’Antananarivo sy ny manodidina.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 13 Oktobra 2015
Sport.Kitra – Fifanintsanana Mondial “Hanidy trano sady hanafika”, hoy i Franck mpanazatra

Ho fantatra afaka ora maromaro ny valim-panadinan’ny Barea. Tsy mbola afaka mibitabitaka loatra na dia teo aza ny fahombiazan’ny lalao mandroson’ny fifanintsanan’ny fiadiana ny amboara erantany 2018 natao ny sabotsy.

Hamaky ny tohiny
FTT