Sport

Kick – Tompondakan’i Madagasikara Hangotraka manomboka anio ny ringan’ny lapan’ny fanatanjahantena


  • Alarobia 25 Novambra 2015

Raikitra ny ady mafana ! Hotanterahina manomboka anio hatramin’ny zoma izao eny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ny kick-boxing sokajy « junior » sy « senior » lahy sy vavy amin’ireo sokajin-danja rehetra.

 

 

 Ligy folo be izao no handahatra mpikatroka hiakatra ringa mandritra ireo telo andro ireo ka anisan’ny tonga masiaka ao ny avy any Menabe, Amoron’i Mania, Vatovavy Fitovinany, Atsinanana, Matsiatra ambony, Boeny, Betsiboka ary vakinankatra ankoatra ny avy eto Analamanga. Efa tonga andro vitsy moa izay ny ankamaroan’ireo mpikatroka avy amin’ireo ligy ivelan’ny renivohitra izay nitoby tetsy amin’ny « Ecole Normale » etsy Mahamasina. Tsiahivina hatrany fa i Madagasikara dia miady ny hampiantrano ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny taona ho avy io ary efa hifantenana ireo hanatevina ny ekipam-pirenena ity fifaninanana nasionaly ity.

 

Rasanda Serge

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT