Sport

Coupe de Noel 2015 Assca Avaradrano Andro 3 sisa ny fifanintsanana isam-bondrona


  • Alarobia 25 Novambra 2015

Andro telo sisa dia hifarana ny fifanintsanana isam-bondrona amin’ ny fifaninanana « Foot à 11 » "COUPE DE NOEL 2015" karakarain'ny Amitié Sportive et Socio-Culturelle Avaradrano ho an'ny sokajy U 15, U 17 ary ny « senior » sy ny « véteran » eny amin’ny kianjan’ny Kaominina Ankadikely Ilafy.

 

Noho izany dia efa maro ireo klioba mieritreritra fa tsy tafiditra ao anatin’ny ampahefa-dalana ho an’ny sokajy senior ary ankatoky ny famaranana ho an’ireo sokajy zandriny sy ny véteran ka mitady hanao tsirambina ny lalao hatrehan’izy ireo. Marihina fa tsy vita hatramin’ny farany ny lalao nihaonan’ny 3Fa Avaradrano sy ny Maxi Analamahitsy ny sabotsy 21 novambra 2015 lasa teo noho ny toetr’andro, ka haverina ny sabotsy 5 desambra 2015 eny amin’ny kianja Antanandrano. Hitohy ny sabotsy 28 novambra 2015 ho avy izao ny andro faha XII amin’io fifaninanana io.

 

Voka-dalao andro faha-XI :

Sokajy 15 taona : Fc Viva Antehiroka 3 - 0 Irfc Ilafy

Sokajy 17 taona : Fc Viva Antehiroka 1 – 3  Fc Mendrika Ankadikely

Sokajy senior : Jsa Antanety Ankadikely 1 - 1 Tandem Andafiavaratra

Sokajy senior : 3fa Avaradrano 0 - 0 Maxi Analamahitsy

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT