Sport

Taekwondo WTF – Federasiona Voadaka ny filoha lefitra, SG ary DTN


  • Alakamisy 26 Novambra 2015

Nafanafana ny fivoriambe tsy ara-potoan’ny federasiona malagasin’ny taekwondo natao ny talata hariva teo.

  Ligy fito tamin’ny sivy no tonga nanatrika ny fivoriana ary tratra ny fetr’isa 2/3 takiana nahafahana nanao ny fivoriana. Rehefa nitaky ny “certificat de conformité” anefa ireo solontenan’ny minisitera dia tsy nanana izany ireo filohan’ny ligy ka raikitra ny disadisa. Nambaran’ny filohan’ny federasiona Ramanantsialonina Andry fa “nalain’ny minisitera nandritra ny fifidianana natao ny 20 oktobra 2014 ireo taratasy ireo (original) ary tsy naveriny hatramin’izao. In-dray mandeha anatin’ny efa-taona fe-potoam-piasana anefa no afaka hakana izany any amin’ireo sampandraharaham-paritra. Natao ny fitadiavana ny marimaritra iraisana niziriziry izy ireo ary zara raha nijanona 15 minitra ireo dia lasa. Samy niaraka nanamafy ny fakan’ny minisitera ireo taratasy ireo anefa ireo ligy rehetra.” Nanatrika io fotoana io moa ny solontenan’ny Komity Olimpika Malagasy ary nirosoana ihany ny fivoriana izay nahazoana fankatoavana 100%. Anisan’ny tena goavana nivoitra tamin’izany ny tsangan-tanana fitsipaham-pitokisana ireo mpikambana efatra tao anatin’ny federasiona izay voalaza fa nandika lalàna dia ny filoha lefitra, Boto Lamina, ny sekretera jeneraly ary ny tale teknika nasionaly, Ramanantsoa Narinja ary mpanolotsaina iray izay voailika tamin’ny andraikiny avy. Isan’izany fandikan-dalalàna izany araka ny tatitra ny famoahana vaovao an-gazety tsy nahazoana alalana sy fandefasana ny sekretera jeneraly niatrika ny fifidianan’ny KOM,… Vao handrafitra ekipa vaovao izany ny filoha am-perinasa ka araka ny sata mifehy sy ny fitsipika anatiny vaovao dia lisitra no hofidiana fa tsy isaky ny andraikitra toy ny teo aloha.

“Aoka izay ny fingampingana nandritra ny herintaona, izahay dia mijoro hatrany na misy aza ny antsojay” araka ny teny hentitra nataon’ny filohan’ny federasiona, Ramanantsialonina Andry izay efa niendrika ady vaky tamin’ny minisitera.



Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT