Sport

Taekwondo WTF – Fiofanana Nahazo mpanazatra “1er degré” vaovao 24


  • Alakamisy 26 Novambra 2015

Nifarana omaly teny amin’ny kianja mitafon’ny ANS Ampefiloha ny fiofanana ho an’ireo mpanazatra naharitra folo andro izay notarihin’ilay manampahaizana koreanina tatsimo,

Shin Yeong Kyun manana grady 7e dan avy amin’ny “solidarité olympique”. 24 ireo mpiofana avy amina ligy fito izay niatrika fanadinana ny alarobia maraina teo ary nahazo ny diplaoman’ny mpanazatra 1er “degree” izay manankery manerantany. Nozaraina omaly hariva teny amin’ny foiben’ny Komity Olimpika Malagasy teny Ivandry moa ny maripahaizan’izy ireo. Nanamarika ny folo andro fiofanana kosa ny sabotsy teo teny Ampefiloha ny hetsika fanazarantena rodobe natsoina hoe “taekwondo ho an’ny daholobe” nahazoana mpandray anjara 100 mahery, tsy nanavahana sokajy sy grady.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT