Sport

Lomano – Meeting de l’Océan Indien Handefa mpilomano 10 any la Réunion ny St Michel


  • Alarobia 25 Novambra 2015

Noho ny fanapahan-kevitry ny federasiona nandritra ny fivoriambe fanaony isan-taona natao herinandro vitsy lasa izay, manafoana ireo sazy nilatsaka tamin’ireo mpitantana ny klioba St Michel Lomano,

 

 

 toy ny filohany Rabary Jaona sy ireo mpiara-mitantana aminy vitsivitsy dia mitohy sy mihodina hatrany ity klioba ity ankehitriny. Tsy nampitsahatra ny hetsika sy fandraisan’anjarany tamina fifaninanana samihafa rahateo ireo sazy tetsy ambony ireo. Vokany dia namiratra ny klioba nandritra ny fifaninanana fanavaozana ny filaharana nasionaly natao ny 15 novambra teo teny amin’ny ANS Ampefiloha.  Ho an’ny sokajy lehilahy raha tsiahivina dia lasan-dRasolonjatovo Michael ny lah-1 ary lah-3 Rakotomavo Jaona samy mpilomanon’ny masindahy avokoa. Ho an’ny sokajy vehivavy dia tafiditra lah-3 Rabarijaona Murielle izay mpilomanon’ny Esca nifindra lasy vao haingana. Mikasika ireo hetsika manaraky ny klioba dia handefa mpilomano folo any amin’ny « Meeting International de la Réunion » izay hatao ny 27-29 novambra izao ny St Michel. Handray anjara mavitrika ihany koa amin’ny andiany fah-2 amin’ny “Meeting de Papon” hatao any Mahajanga amin’ny volana desambra io. Marihina fa mpilomano fito avy amin’ny Esca ireo no nifindra ao amin’ny St Michel noho ny faharavan’iry voalohany ary mbola mitady mpanazatra hafa koa ny klioba hanampy ireo efatra efa misy ao aminy mba hisahana ireo mpilomano mpikambana mahatratra 142 ao aminy.

 

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT