Sport

Tournoi de Pâques Dandjy-3Fa andiany faha-6 Mampahatsiahy ny fanovana misy ny tompon’andraikitra


  • Alakamisy 26 Novambra 2015

Mba hahatomombana an-tsakany sy an-davany ny fanomanana ny “Tournoi de Pâques Dandjy -3Fa” andiany faha-6 izay hatao any Mahajanga ny sabotsy 25 martsa-sabotsy 2 aprily 2016 ho an’ny sokajy U 10, 13, 15, 17, 20, 23 ary ny sokajy Vehivavy.

 Noho ny hamaroan'ny ekipa mandray anjara dia misy ny fifaninanana isaky ny faritra. Ny sabotsy 19 desambra ka hatramin'ny alatsinainy 21 desambra 2015 no hanatanterahana ny an’ny Faritra Boeny. Ny an’ny Faritra Analamanga koa dia hotontosaina ny sabotsy 5 desambra 2015 ary ny an’ny Faritra hafa ankoatra ireo dia ny sabotsy 12 desambra sy ny alahady 13 desambra 2015 no hanaovana azy. Noho izany dia tokony hanatona ny tompon’andraikitra teknika isaky ny Faritra isika klioba rehetra te handray anjara fa voafetra ny isan’ny klioba sy sokajy solontenan’ny Faritra mahazo fanasana handray  anjara  ka ireo ekipa tafavoaka amin’ny fifaninanana isaky ny Faritra ihany no miatrika izany. Mba hialana amin’ny fisian’ny hosoka ara-taona dia miakatra sokajy amboniny daholo ireo sokajy tsirairay nandray anjara tamin'ny  andiany faha-5 ; Ohatra : ireo mpilalao nandray anjara tamin'ny sokajy 10 taona nandritra io fifaninanana andiany faha-5 io dia miakatra sokajy 13 taona daholo amin'ny fifaninanana andiany faha-6 ary toy izay hatrany ireo sokajy tsirairay avy. Hampandraisina anjara ihany koa ny sokajy U 23 amin'io andiany manaraka io , fa noho ny tanjon'ny fifaninanana DANDJY-3FA izay mamolavola taniketsa dia tsy mahazo mandray anjara ny mpilalao division I , ary tsy maintsy mitondra kara-panondro ny sokajy  U 20 sy U 23 mandritra ny fifaninanana.

Toy izao kosa ny isan'ny ekipa sy sokajy isaky ny faritra handray anjara amin'ny TOURNOI DANDJY-3FA andiany faha-VI:

                                 

N°

Sokajy

Boeny

Analamanga

Betsiboka

Vakinankaratra

Sofia

Atsinanana

TOTALINY

01

23ans

05

03

02

01

01

01

12

02

20ans

05

03

02

01

01

01

12

03

17ans

06

04

02

02

01

01

16

04

15ans

06

04

02

02

01

01

16

05

13ans

06

04

02

02

01

01

16

06

10ans

03

03

1

1

 

 

08

07

Vavy

 

 

 

 

 

 

08

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT