• Alakamisy 22 Febroary 2018
Sport.Ahmad –filohan’ny CAF Voaasa tao amin’ny lapan’i Elysée

Anisan’ireo vahiny manan-kaja voaasa manokana tamin’ny fiaraha-misakafo nokarakarain’ny filoha Frantsay Emmanuel Macron tao amin’ny lapan’i Elysée omaly antoandro ny filohan’ny konfederasion’ny baolina kitra Afrikanina (CAF) Ahmad.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 21 Febroary 2018
Sport.Raharaha Delors Any amin’ny fitsarana ny baolina

Anisan’ny raharaha nitana ny sain’ny maro tato ho ato ny mikasika ny fampidirana am-ponja ny tale kabinetran’ny lehiben’ny faritra Vatovavy Fitovinany Atoa Delors.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 20 Febroary 2018
Sport.Kitra- Ligin’Amoron’i Mania Ho lasa seksiona 4 no handrafitra azy

Efa vita tamin’ny 27 janoary teo ny fanokafana ofisialy ny taom-pilalaovana 2018 ho an’ny ligin’ny baolina kitra any Amoron’i Mania tarihan’ny filoha vaovaony, Randriantsoaniaina Nirilanto, ka nisy ny “tournoi firaisankina” notanterahina tao Ambositra renivohitry ny Faritra tamin’izany : Ambositra 1 – 0 Fandriana.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 20 Febroary 2018
Sport.RakotoarimananaTôta Henintsoa “Ndao halamintsika samy Malagasy ny olan’ny FMF’

Hazakazaka rodobe niainga tetsy amin’ny garan’i Soarano ka nifarana teny amin’ny kianjan’i Mahamasina,tamin’ny sabotsy 17 febroary teo, no nanombohan’ny ligin’ny baolina kitra eto Analamanga notarihan’ny filohany RakotoarimananaTôta Henintsoa notronin’olo-manan-kaja maro, ny filohan’ny FMF sy ireo ben’ny tanàna namany ary koa ny orange mpanohana ofisialy sy ireo filohan’ny klioba sy ireo mpilalao marobe, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pilalaovana 2018.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 20 Febroary 2018
Sport.Seksion’ny rugby Vakiniadiana Notohanan’ny fikambanana Fitahina ny lalao Famaranana

Notanterahina tetsy amin’ny kianja Malacam Antanimena tamin’ny alahady 18 feborary teo ireo lalao famaranana sokafy D-2 sy D-1 ny fiadiana ny ho tompondakan’ny seksion’ny rugby ao Vakiniadiana tarihan’ny filohany Rakoniaina José izay nanambara fa izy no tena filoha lany ara-dalàn’ity seksiona ity ary nahazo « attestation de fonction »

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 19 Febroary 2018
Sport.Tsipy kantibe – Tompondakan’i Madagasikara dingana 1 Nanao poa-droa ny ekipan’ny BIC Ambohimahasoa

Tontosa omaly alahady 18 febroary 2018 tetsy amin’ny « boulodrome » CBT Mahamasina ireo lalao famaranana lahy sy vavy olon-droa miaraka amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja tsipy kanetibe 2018 dingana 1.

Hamaky ny tohiny
FTT