Sport

Jeux Coorporatif CUA 2018 Efa mihoatra ny 10 izao ireo nisoratra anarana


  • Talata 13 Martsa 2018

10 andro tsy hanombohan’ny hetsika « Jeux Coorporatif » andiany voalohany karakarain’ny CUA na kaominina Antananarivo-Renivohitra dia fantatra araka ny nambaran’ny Talen'ny kolontsaina sy ny fanatanjahatena eo anivon’ity rafitra ity, Ramihone Patrick Angelo Andriamisa,

 

 teny Mahamasina fa efa mihoatran’ny orinasa sy andrim-panjakana 10 ankehitriny (12 martsa 2018) efa nisoratra anarana fa handray anjara amin’ny hetsika tamin’ireo 60 isa nandefasana fanasana. Efa tomombana ny fikarakarana rehetra, hoy ity tale ity, amin’izao ora hifampiresahana izao fa ny datin’ny 21 sy 22 aprily hanatanterahana ny hetsika sisa handrasana. Marihana fa taranja 7 dia ny Foot à 7, Basket ball mixte, Volley ball mixte, Pétanque, Law tennis, Tennis de table ary Belote no handraisan’ireo mpifaninana anjara mandritra ireo roa andro ireo ka tsy mahazo mampilalao an’ireo « licencié » mihitsy ireo ekipa mandray anjara. Hisy ny lalao basikety s y volley natokana hoan’ireo andriambavilanitra. Ao Mahamasina daholo no hanatanterahina an’ireo lalao ireo ary ao ihany ko ny fisoratana anarana. Satria lanona hombam-bady aman-janaka ity hatao ity dia misy ny sakafo hamidy sahaza ny rehetra ao Mahamasina ao ary hisy koa toeram-pilalaovana hoan’ireo kilonga madinika.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT