Sport

Rugby Terres en Mêlées Ho any Andafy i MITAIZA na i Marcelia


  • Alarobia 14 Martsa 2018

Tamin’ny firesadresahana taminy tao amin’ny IFM na Institut Français de Madagascar Analakely ny andron’ny 8 martsa lasa teo ka nandefasana teto Antananarivo an’ilay horonantsary fanadihadiana “La jeune fille au ballon ovale” novolavolain’ny fikambanana Terres en Mêlées sy narindran’i Christophe

 

 Vindis, novokarin’ny  les Docs du Nord no nanambaran’i Mitaiza na i Marcelia mpilalao fototra ao amin’ity horonantsary ity fa hiampita tsy ho ela ho any Andafy ny tenany noho ny fangatahan’ny olona maro efa nahita an’ity La jeune fille au ballon ovale” tany amin’ny televiziona France O tany Frantsa. “Tsy matahotra ny andeha fiaramanidina sy hivoaka ho any ivelany izany aho fa tena vonona ny andeha”, hoy ity renim-pianakaviana vao 18 taona ity monja. Voaporofo tamin’ity 8 martsa 2018 ity tetsy amin’ny IFM fa tena nitondra fivoarana manokana ho an’ny vehivavy Malagasy any amin’iny Côte Saphir Atsimo Andrefan’ny nosy iny ny filalaovana rugby nanomboka tao an-tanànan’Antsepoka nielipatrana any  Toliara, Mikea Lodge, Ihorombe ary Salary Bay. Nijoroany sy ireo vehivavy mpampianatra rugby nanofana azy ho lasa mpampiofana koa taty aoriana fa tena nampivoatra ara-bakiteny ny fiainan’ny ankizy vavy any amin’ity faritra ity ny fiangaliana ny lalao rugby. Lasa sady mianatra no milalao rugby ankehitriny ny ankizy any Antsepoka sy ny Côte Saphir manontolo noho ny ezaka manokana nataon’ny Terres en Mêlées tarihan’i Pierre Gony mivady sy ireo malala-tanana tia rugby any Frantsa any ary any Toulouse manokana. Nampiseho nivantana ny zava-misy iainana eto Madagasikara ity horonantsary ity tamin’ny ankapobeny, ny loto sy hasarotam-piainana, ny rivo-dranomasina madio sy ny asa fiandrikana mahazatra ary ny ezaka tsy maintsy diavina rehefa te-hihoitra handresy ny mafy. Nivanaka ary tsy nahaloa-peo ny minisitra Toto Marie Lydia, tompon’andraiki-panjakana mba nanotrona an’ity hetsika 8 martsa niavaka tetsy amin’ny IFM Analakely ity.

 

Ntsoavina Evariste

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT