Sport

Fileovana rugby 3FAI Ambalavao Isotry Hankalaza ny faha-35 taonany


  • Alatsinainy 12 Martsa 2018

Hankalaza ny faha-35 taona niorenany ny fileovana rugby 3FAI Ambalavao Isotry tantanan-dRtoa Rakotoniriana Raissa ka namory fanindroany an’ireo fileovana nasainy amin’ny lalao rugby enti-manamarika ny tsingerin-taonany ny sabotsy 10 martsa 2018 tetsy Tsaralalàna misy ny foibeny.

 

Nambaran’ny SG, Me Alain fa ny Tfma, Irc, Tfa, Tam, Stm, Usa ary ny 3FAI ireo klioba nantsoina ka namaly ny antso ireo dia hotolorana lelavola 5 hetsy avy izy ireo hanomanany tsirairay avy an’ity fihaonana ity izay mbola nangatahan’izy ireo hampitomboina kely ka homena valiny rahampitso talata. Hotontosaina ny 24 sy 25 martsa etsy Malacam ny manasa-dalan’ny boaty sy kartie ary ny aprily 2018 kosa ny lalao famaranana ka hahazo amboara sy vola 4.000.000 Ariary ny voalohany ary 2.000.000 ariary kosa ny faharoa.

 

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT