Sport

K2HB sy ny rafitra baolina kitra Malagasy Mangataka ny hanaovana fifidianana amin’ny 2020


  • Alatsinainy 12 Martsa 2018

Niteraka olana teo amin’ny baolina kitra ny fifidianana tao anatin’ny 16 taona ary nampiraviravy tanana ny maro izay mpanohana ny klioba, ny mpanazatra sy mpilalao …,

 

 hoy ny K2HB na Komity Hamerina ny Hasin’ny Baolina, satria misy foana ny fitantanana tsy refesi-mandidy tian-kano sy tsy tian-kano ary  ny tetika maloto fandentehana mandritra ny filatsahana kandida izay te hifaninana amin’ny fitantanana ny baolina kitra  teto amintsika eo amin’ny fifidianana. Deraina manokana kosa anefa, hoy ny K2HB, ny fanapahan-kevitry ny FIFA nanemotra ny fifidianana rehetra ary tokony hotohanana, koa samia isika rehetra manomana ny fitarainana na « requettte » isaky ny ligim-paritra.

Mangataka ny K2HB mba ho amin’ny taona 2020 no hanatanterahana ny  fifidianana rehetra (seksionina, ligy, Federasion). Tokony hiverina amin’ny ara-dalàna sy ny lalàna iraisam-pirenena ka hanaraka ny “Cycle Olympique” iarahan’ny tontolon’ny fanatanjahantena eran-tany koa izany.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT