• Alatsinainy 09 Aprily 2018
1.16n-dalan’ny Amboaran’ny CAF Montsan’i Aduana Stars 6 no ho 1 ny Fosa Juniors

Montsan’ny ekipan’ny Aduana Stars Ghaneana 6 no ho 1 omaly alahady 9 aprily 2018 tany Ghana, teo amin’ny 1/16-ndalana bis ny fiadiana ny Amboaran’ny CAF 2018, ny Fosa Juniors Boeny solontena Malagasy miatrika an’ity fifaninanana ity.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 09 Aprily 2018
Sport.Challenge U 18 Basket 3x3 Madagascar 2018 Ny Dream Team lahy sy ny Mb2All 1 vavy no nahery

Ny ekipa zatovolahin’ny Dream Team Analamanga nandresy ny Ascb Boeny teo amin’ny lalao famaranana notontosaina tetsy amin’ny tokotanin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny sabotsy 7 aprily 2018 tamin’ny 21-12 ary ny ekipan’ny Mb2All (1)

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 09 Aprily 2018
Sport.Tsipy kanetibe Tompondakan’i Madagasikara Lasan’i Lesa sy Cobra ny dingana fahatelo

Lasan’i Lesa Ratsimbazafy sy Cobra Rahasintsoa avy amin’ny klioban’ny CBP Sabotsy Namehana ny dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2018 eo amin’ny taranja tsipy kanetibe sokajy lehilahy.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 07 Aprily 2018
Sport.Challenge National Basket 3 x 3 2018 Tanora 192 mianadahy no mifaninana eto Antananarivo

Tanora miisa 192 mianadahy avy amin’ny klioba 32 zatovolahy sy 16 zatovovavy avy any amin’ny ligim-paritry ny basikety 11 eto amin’ny nosy no mifanandrina amin’ny lalao basikety lalaovin’olona 3 na “Challenge National Basket 3 x 3 2018 etsy amin’ny tokotanin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina Antananarivo mandritra ny roa andro nanomboka omaly zoma 6 aprily sy anio sabotsy 7 aprily 2018.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 06 Aprily 2018
Sport.Mondial “Foot-ball For Friendship” Hotanterahina any Moscou amin’ny volana jona 2018

Raikitra ny andiany faha-6 amin’ny tetikasa sosialy iraisam-pirenena ho an’ny ankizy ny baolina kitra ho an’ny fifankatiavana karakarain’ny orinasa Gazprom mpiara-miombon’antoka amin’ny FIFA sy ny Mondial baolina kitra 2018 any Rosia.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 06 Aprily 2018
Sport.Baolina kitra any Matsiatra Ambony Miditra amin’ny andro faha-2 amin’ity faran’ny herinandro ity

Miditra amin’ny andro faha-2 sahady ny fifaninanana baolina kitra fiadiana ny ho tompondakan’ny Ligin’i Matsiatra Ambony na ligue des champions 2018 amin’ity faran’ny herinandro ity, samy hotontosaina ao amin’ny kianja maoderna Ampasambazaha Fianarantsoa daholo :

Hamaky ny tohiny
FTT