Sport

Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy Rabe Samuel Jean Jacques René na i Néné kely Niantoka ny fiainako manontolo ny baolina kitra


  • Sabotsy 28 Aprily 2018

Hiverina kely eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra indray ny eto amin’ny pejin’ny Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy amin’ity sabotsy 28 aprily ity ka hampahafantatra fohifohy tamin’ny resaka nifanaovana taminy an-dRabe Samuel Jean Jacques René na i Néné kely na Ramaître koa ho an’ny mpifanerasera aminy, lohalarana kalaza teo amin’ny fanaovana “ciseau” rehefa mamono baolina”.

 
Tamin’ny taona 1970 no nanomboka nanao baolina kitra voalohany nanaraka rafitra tao amin’ny klioban’ny ASBB tao Ihosy sokajy Benjamin Ramaître na i Néné kely fa tamin’ny taona 1980 kosa no nanombohany nalaza fony izy nilalao tao amin’ny ekipan’ny As St Michel Amparibe Antananarivo niaraka tamin-dry Tôsy, Mika, Tsimba kely,  Naivo kely , Crispin … Manambady ny lehilahy ary niteraka 3 (vavy 2 sy lahy 1) izay tia manaraka baolina kitra avokoa saingy tsy nisy nilalao fa irery voalohany kosa dia nanangana “groupe des jeunes” anisan’ny milalao baolina kitra. Mihanoka tanteraka amin’ny fitiavana baolina kitra izy ireo hatramin’ny vadiko ihany koa, hoy i Néne kely. Manaraka ny hetsika baolina kitra rehetra ataoko sady manampy sy mampirisika ahy amin’ny alalan’ny fanomezana torohevitra ihany koa.

 

Lalana nodiavina sy amboara azo

 

-1980 : nandrombaka ny “Coupe de Madagascar” rehefa avy nilalao tao amin’ny As Aro tamin’ny 1978-1979.

-1983-1984-1985 : tompondakan’Analamanga niaraka tamin’ny ekipan’ny Gerb’or.

-1988 : nahazo ny “Coupe de Madagascar” niaraka tamin’ny Fc Bfv Antananarivo.

-1992 : Nanomboka nanao coach niaraka tamin’i Me Mosa ka nahazo ny « Doublée Championnat-Coupe de Madagascar ».

-1985 : mpampidi-baolina be indrindra tao amin’ny ekipan’ny Gerb’or ka voantso « Préselectionné » hifanandrina amin’i Egypte niaraka tamin’ny mpanazatra Andriamirado Vincent.

-1988 : Lany ho mpilalao voafantin’Analamanga niaraka tamin-dry Charles kely, Dezy Monstre, Aimé kely , Dama (cosfa) …

-1981 : Nandeha niatrika ny “Coupe d’Afrique” tany Zimbabwé niaraka tamin’ny As St Michel.

-1989 : Tafita teo amin’ny dingan’ny 1/2-dalana tamin’ny “Coupe d’Afrique” niaraka tamin’ny ekipan’ny Fc Bfv Antananarivo.

-Teo anelan’elan’ireo  : niatrika lalaom-pirahalahiana niaraka tamin’ny ekipan’ny Gerb’or tany La Réunion sy Maurice.

-1991: Voan’ny “Cysticercose” teny an-kianja ka nitsahatra tsy nilalao fa nitsabo tena kely ka tamin’ny 1992 vao niverina indray.

-1995 : Nijanona tanteraka teo amin’ny fifaninanana sokajy senior.

-1995-1996-1997 : Tompondakan’ny Oseana Indiana sokajy veteran niaraka tamn’ny ekipan’i Manjaka Lalao.

-1997 : Voaasa hanao baolina tamin’ny fankalazana ny 14 jolay niaraka tamin’ny ekipan’ny vétéran Manjaka Lalao tany La Réunion.

-2000 : Mpilalao veteran tao amin’ny ekipan’ny Air Madagascar.

-2001 : Nijanona tsy niatrika fifaninanana baolina kitra intsony nefa milalao ao amin’ny sokajy vétéran’ny ligin’Analamanga ihany rehefa misy “match de gala” ataon’io rafitra io amin’ny maha filohan’ny “Football jeune” azy ao amin’io ligy io ankehitriny.

2002 : Naratra nianjera teo am-pilalaovana baolina.

2002 : Nanangana ny ekipa fitaizana tanora JSM Morarano Rabe Samuel René mivady izay Rtoa Rabe Nathalie (FMF) sy ny fikambanana Fahazavana tarihany no hany nanampy azy.

2007 : Nahazo ny amboara kitra fokontany niaraka tamin’ny Jsm Morarano.

2011 : Nahazo ny amboara “tournoi FMF” niaraka tamin’ny ekipa breziliana niaraka tamin’ny Jsm Morarano ihany.

2011 : Nahazo ny diplaoma federalin’ny tetikasa Grassrots FIFA.

 

Baolina kitra niantoka ny fiainana

 

“Azoko ambara fa niantoka ny fianarako manontolo ny baolina kitra, hoy i Ramaître” satria teo amin’ny “classe de 8è” aho no niantohan’ny ray aman-dreniko fianarana farany fa nanampy ahy teo amin’ny kojakojam-pianarana nanomboka teo ny anadahin’ny renibeko iray ary teo amin’ny famitana ny dingam-pianarana rehetra kosa ny Aro sy St Michel. Tena nanampy ahy teo amin’ny fiainako ihany koa ny baolina kitra fa fototry ny nifankahitanay mivady voalohany ary nahatonga ahy tafiditra niasa tao amin’ny Gerb’or avy eo tao amin’ny banky Bfv. Mampitombo hasina eo anivon’ny fiarahamonina ihany koa ny fahaizana baolina kitra ka hahazoana fankasitrahana eo an-tanàna tahaka izay azoko ao amin’ny boriborintany faha-2 eto an-drenivohitra misy ahy mandraka ankehitriny. Rehefa niala tao amin’io banky io aho dia niofo ho mpanazatra baolina kitra ka tamin’ny taona  1992 dia niofana ho mpanazatra tamin’ny andron’ny Dtn, Robson, sy ny filohan’ny FMF, Benony Jacques ary lasa mpanazatran’ny sokajy veteran tao amin’ny ekipan’ny Fc Bfc sy tao amin’ny ekipan’ny “Inter-entreprise” tao an-toerana”.

“Nampiavaka anay mpilalao kely vatana nalaza fahiny teo amin’ny baolina kitra ny “détente” hanananay sy ny fahaizanay mihazakazaka mafy sy mamono baolina. Manana “Chance” de but izahay satria manana fahasahiana sy “esprit de risque” tsy dia hananan’ny tanora mpilalao ankehitriny loatra. I tale René no mpilalao vodilaharana Malagasy tena nampikolay ahy mihitsy fa tena mahay maka baolina an-tongotr’olona mpifaninana aminy”.

 

Hafatra ho an’ny tanora

Ny fijeriko ny kitra Malagasy ankehitriny dia tokony handroso tanteraka fa efa feno ny fepetra rehetra ahatongavana amin’izany, efa manana mpanazatra tsara ofana sy efa afaka manaraka ny lalaon’ireo kalaza amin’ny video ny ekipa tsirairay nefa dia tsy ampy finiavana hampidi-baolina ireo mpilalao. Be loatra ihany koa ny lalao eny amin’ny fokontany samihafa eny ka variana amin’ireny ny mpilalao kalaza eto amintsika ka tsy afaka miala sasatra akory izay tena ilain’ny vatana rehefa milalao baolina kitra. Ambarako etoana fa tena nifankalala tanteraka ny mpanao spaoro sy mpanakanto taloha ary nifanohana ihany koa.

Ny hafatra hatolotro ho an’ireo tanora mpilalao baolina ankehitriny, hoy Ramaître, dia ny hoe : raha tena tia “Sport de competition” izy ireo dia mila manao “Sacrifice” ary mila milofo  samy irery toy ny manao enti-mody any an-trano.

Ambarako etoana fa izaho dia tsy mbola nifoka sigara sy nisotro toaka na labiera hatramin’izay niainako izay safidiko manokana amin’ny fahitana ny hafitsok’ireo miantehatra amin’ireo zavatra ireo amin’ny fanakorontanana ny fiarahamonina ka tsy te-hanahaka ny toetran’izy ireo aho. Aleoko mitaiza vatana amin’ny fanaovana spaoro tahaka ny efa nataoko 48 taona nilalaovana baolina kitra izao”.

 

Nanangona sy nandrindra : Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT