Sport

Cjsoi Football 2018 Resin’i La Réunion tamin’ny tir aux buts 6-5 i Madagasikara


  • Alatsinainy 30 Aprily 2018

Nikatona ny sabotsy 28 aprily teo tany Djibouti ny lalaon’ny CJSOI andiany faha-11.

Tsy dia misy azo ambara firy mikasika ny lanonam-pamaranana sy ny vokatra ofisialy rehetra mikasika an’ity fifaninanana ity na tamin-dry zareo avy any  Djibouti mpampiiantrano na tamin’ireo nosy rahavavy, La Réunion sy Maurice, mpilaza vaovao tsy tapaka saika isan’andro mikasika ny fahombiazan’ireo altletany na avy amin’ny delegasiona Malagasy izay bobaka be araka ny fomba filaza. Ny hany mba azontsika ambara dia ny vaovao mahakasika ny lalao baolina kitra nalefan’ireo olon-tsotra namana avy amin’ny alalan’ilay fifandraisana Js Foot ka nahafantarana fa lavon’ny ekipan’i La Réunion tamin’ny tir aux buts 6-5 ny mpilalao U 17 Malagasy teo amin’ny famaranana ny baolina kitra rehefa tsy nahatafiditra ny baolina faha-6 farany nodakana. 1-1 no isa nisarahan’ny 2 tonta teo amin’ny fe-potoana ara-dalàna 40 mn x 2.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT