Sport

Champions League Hiatrika famaranana indray ny Real Madrid


  • Alarobia 02 Mey 2018

Nampangitakitaka ny lalao manasa-dalan’ny champions league halina; nisaraka ady sahala 2 no 2 ny Bayern Munich sy ny Real Madrid..tafiakatra amin’ny lalao famaranana fanintelony misesy, indray izany ny ekipan-dry Ronaldo .

 

Hafaliana tsy homby tratra ny an’ny ekipa rehetra indrindra fa ny mpanazatra Zinedine Zidane.I Karim Benzema no nampiditra ny baolina roa ho an’ny Real teo amin’ny 11’ sy 46’ raha toa ka J Kimmich (3’) sy J Rodriguez kosa no mpamono baolina ho an’ny Bayern.Tena niady ny lalao, totoafo hatrany am-boalohany ny fanafihan’ny Bayern, hita ho sempotra ny vodilaharan’ny Real.. soa ihany fa mailaka ny mpiandry harato Keylor Navas.Ho sarotra ho an’ny AS Roma rah any tombatomban’ny maro ny handresy an’ny Liverpool amin’ny lalao miverina noho ilay efa fahareseny 5 no 2 tamin’ny lalao mandroso.Heverina arak’izany fa ny Real Madrid sy Liverpool no hifandona amin’ny lalao famaranana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT