Sport

Championnat National N1B Hommes 2018 Anio hariva ny lanonam-panokafana


  • Sabotsy 28 Aprily 2018

Hanomboka anio sabotsy marainan’ny 28 aprily etsy Mahamasina ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja basikety baolina sokajy N 1 B lehilahy.

Ny ekipan’ny Mbc A/nanana sy ny Usf M/ambony (D) no hanomboka izany ety amin’ny kianja ivelan’i Mahamasina amin’ny 10:00 maraina. Ao anatin’ny kianja mitafon’i Mahamasina kosa amin’ny 10:00 ihany dia hisy ny fihaonan’ny Ngb Analamanga sy ny As Chicago Diana (C) arahin’ny As Fanalamanga A/ Mangoro sy ny Tac bb A/manga (D) amin’ny 12:00 ary ny Ecbba A/manga sy ny Ncbb Boeny amin’ny 14:00. Aorian’ny fotoam-panokafana amin’ny 16:00 kosa no hifandonan’ny Cnaps Itasy sy Dtsc A/manga (A) amin’ny 16:30.

Fizaram-bondron’ireo mpifaninanana :

Poule A : - DTSC Analamanga ; - CNAPS Itasy ; - ABBS Analanjirofo ; - TEAM BB Betsiboka
Poule B : - NCBB Boeny ; - ECBBA Analamanga ; - CBBU Vakinankaratra ; - USBBA Alaotra Mangoro
Poule C : - AS CHCAGO Diana ; - NGB Analamanga ; - BCO Boeny ; - SBC Vakinankaratra
Poule D : - AS FANALAMANGA Alaotra Mangoro ; - TAC BB Analamanga ; - MBC Atsinanana ; - ASB Itasy ; - USF Haute Matsiatra.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT