Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny sabotsy 28 aprily teo tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2018 taranja Basikety Baolina sokajy N1 B izay haharitra hatramin’ny faha-6 mey izao.
Ekipa 17 avy amin’ny Faritra 9 maneran’ny Nosy no mandray anjara amin’ny fifaninanana. Nisongadina hatreto ny MBC (A/nanana), ny AS FANALAMANGA (A/Mangoro), ny DTSC (A/manga) ary ny ECBBA (A/manga) izay efa samy nahazo fandresena 2 avy nandritra izay andro 2 voalohany vita izay ary ity ekipan’Analamanga farany ity no efa nahavita nahazo vokatra nihoatran’ny isa100 araka izao vokatra azo izao :
NGB (Analamanga) – AS CHIGAGO (DIANA)= 72 – 69
AS FANALAMANGA (A/mangoro) – TAC BB (A/manga) = 69 – 63
ECBBA (Analamanga) – NCBB (Boeny) = 84 -75
CNAPS (Itasy) – DTSC (A/manga) = 76 – 84
MBC (A /nanana) – USF (H/M) = 85 - 63
TEM BB (Batsiboka) vs CNAPS (Itasy) = 47 – 88
ASB (Itasy) vs AS FANALAMANGA (A/Mangoro) = 78 – 81
TAC BB (Analamanga) vs MBC (Atsinanana) = 54 – 63
CBBU (Vakinankaratra) vs ECBBA (Analamanga) = 60 – 106
AS CHICAGO (Diana) vs SBC (Vakinankaratra) = 51 - 86
DTSC (Analamanga) vs ABBS (Analanjirofo) = 84 – 52
FANDAHARAN-DALAO ANIO ALATSINIAINY 30 APRILY 2018
Kianja Mitafon’i Mahamasina :
08h00: MBC (A/nanana) # ASB (Itasy)
09h45: NCBB (Boeny) # CBBU (Vakina)
15H00: USF (H/M) # TAC BB (A/manga)
16H45: USBA (Al/Man) # ECBBA (A/manga)
Kianja Ivelany Mahamasina :
08h00: TEAM BB (Betsiboka) # ABBS (A/jirofo)
09h45: SBC (Vakina) # BCO (Boeny)
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.