• Alarobia 12 Mey 2010
Politique.Mihamahery vaika ny fitakiana etsy sy eroa Sahiran-tsaina i Andry Rajoelina

Mandeha ny feo fa hanao lahateny amin’ny vahoaka indray i Andry Nirina Rajoelina hanambarany ny mety ho tohin’ny lalana amin’ny famahana ny krizy. Miovaova be ihany ny fotoana voalaza fa hanaovany izany, satria toa maro ny kipitsopistony mila fandaminana.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 12 Mey 2010
Politique.Misafotofoto ny resaka Saro-piterahana ny Governemantan’i Vital

Misafotofoto be ihany ny toe-draharaha politika eto amintsika amin’izao fotoana, ary raha ny tsiliantsofina re dia mbola mety hihemotra amin’ny andro manaraka indray ny fitsanganan’ilay governemantan’ny fanavotam-pirenena, nambaran’i Andry Rajoelina fa hitsangana tsy ho ela, taorian’ny fiverenany avy any Pretoria ny 01 mey teo.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 11 Mey 2010
Politique.Tonton Ambroise Maika ny hamerenana ny fankatoavana iraisam-pirenena

Nihazakazaka ny fielin’ny vaovao ny faran’ny herinandro teo fa mihevitra ny hiala eo amin’ny fitondrana i Andry Rajoelina. Na izany aza, hoy ihany ny resaka nandeha, dia manam-paniriana hirotsaka hofidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo izy ka mila antoka amin’izany.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 11 Mey 2010
Politique.Ankolafy 3 «Na miala Rajoelina na mitsangana ny tetezamitam-paritra»

Taorin’ny hetsika nakadiry nataon’ny ankolafy telo tao amin’ny kianja Stadium Barikadimy Toamasina, Magro Avaratsena Antsirabe, tany Toliara sy Antsiranana ny faran’ny herinandro teo dia re izao fa hitohy ary hiitatra amin’ny faritra hafa ny hetsik’izy ireo.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 11 Mey 2010
Politique.Minisitra 13, hametra-pialana ?

Mety hisy ato ho ato ny fametraham-pialana faobe hataon’ny mpikambana sasany eo anivon’ny governemanta Vital.

Hamaky ny tohiny
FTT