Politique

Minisitra 13, hametra-pialana ?


  • Talata 11 Mey 2010

Mety hisy ato ho ato ny fametraham-pialana faobe hataon’ny mpikambana sasany eo anivon’ny governemanta Vital.

Raha ny resaka mandeha dia mety manodidina ny 13 eo ho eo ireo minisitra hanapa-kevitra ny hiala ireo, satria efa tafiditra ao anatin’ireo hosoloina miaramila, na olona hafa izy ireo, ao anatin’ilay sori-dalana hanohizana ny tetezamita, araka ny nambaran’i Andry Rajoelina. Toa manamafy ny savorovoro sy fikorontanana amin’ny fampandehanan-draharaha ny nanafoanana tamin’ny ora farany ny filankevitry ny minisitra saika hotanterahana ny zoma lasa teo. Efa notaterina teto ihany moa fa tsy vitsy ireo minisitra sy tompon’andraikitra ambony ao anatin’izao tetezamita izao no fanina sy tsy mahalala ny tena marina intsony ny amin’ny fomba fitantanan’ny filohan’ny HAT sy ny zavatra tiany hatao marina. Misy koa ireo mahatsiaro ho natao anjorom-bala ary tsy mba nakana hevitra mihitsy mialoha ireo karazana fifampidinihana, eny fa na dia mba teknisiana sy manana traikefa amin’ny politika ihany aza izy ireo. Mifampitohy amin’izay ihany dia mety ho amin’ity anio ity, araka ny tsiliantsofina re no hitsangana ilay governemantan’ny fanavotam-pirenena. Tsy mbola fantatra kosa anefa hoe hanao ahoana ny mety ho endrik’izy ity. Hisy miaramila ihany ve ao anatiny ? Raha hisy dia mety ho firy ny isany ? Hisy hamadika palitao ve ka hanaiky ny hiditra ao anatin’izany ny mpanao politika sasany avy amin’ny ankolafy 3. Fa ny azo antoka aloha dia mijanona ho praiminisitra ny jeneraly Camille Vital ary tsy maintsy ho maromaro ireo minisitra ho very seza. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT