Politique

May ny afo natsangany ny FAT Hanidy biraom-panjakana ny Administratera Sivily


  • Talata 11 Mey 2010


Mihazakazaka ny fandehan’ny raharaham-pirenena ankehitriny. Nanomboka tamin’iny herinandro lasa iny dia niloa-bava avokoa izao rehetra izao. Ry zareo zandary eo anivon’ny Hery Vonjy Taitra no nisantatra izany. Ny sabotsy lasa teo dia nanatevin-daharana ireo niteny koa ireo mpisolovava, ireo mpikaroka, ireo mpitsara. Omaly koa dia nilaza ireo mpiasam-panjakana ambony na administratera sivily fa hitokona, raha toa ka tsy avy amin’izy ireo no hotendrena ho minisitra misahana ny atitany. Fitokonana fanairana ihany izany, araka ny fanazavana. Fantatra moa fa dia hikatona ny minisiteran’ny atitany, ny distrika rehetra manerana ny Nosy, ny faritanin’Antananarivo teo aloha misy ny Centre Immatriculateur anio. Raha toa ka mbola miziriziry amin’ny heviny anefa ny FAT (Fahefana Avon’ny Tetezamita) fa tsy hihaino ireto administratera sivily ireto dia mandrahona ny hanidy ireo boriborintany 1400 manerana an’i Madagasikara. May ny afo natsanga ny FAT araka izany, ary dia misavoritaka tanteraka ny fiainam-pirenena.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT