Mandeha ny feo fa hanao lahateny amin’ny vahoaka indray i Andry Nirina Rajoelina hanambarany ny mety ho tohin’ny lalana amin’ny famahana ny krizy. Miovaova be ihany ny fotoana voalaza fa hanaovany izany, satria toa maro ny kipitsopistony mila fandaminana.
Fa raha ny vinavinan’ny mpanara-baovao politika aloha dia tranga 2 no mety hiseho raha raikitra ihany izany kabary izany. Ny voalohany dia manambara i Andry Rajoelina fa hanohy ny fitantanana ny tetezamita hatramin’ny faran’ny taona, ka tsy ho anisan’ireo kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ; ny faharoa dia hanambara ny filohan’ny FAT fa hametra-pialana afaka volana vitsivitsy, rehefa tafapetraka avokoa ny rafitra rehetra ao amin’ny tetezamita, ary ho kandida amin’ny fifidianana. Fa na ilay tranga voalohany na faharoa dia tsy maintsy mikaroka ny paika sy tetika handresena lahatra ny vahoaka, ireo ankolafy politika maro samihafa, ary ny sehatra iraisam-pirenena i Andry Rajoelina fa efa matotra izy ary olona natao hitantana sy hitarika, na dia misy ihany aza ny tsy fahatanterahany sy ny fahadisoany, tahaka ny olombelona rehetra. Raha ny tsiliantsofina re dia mikatro-doha mafy mihitsy ireo mpanolotsaina sy mpiara-miasa akaiky aminy amin’ny fandrafetana ity kabary ity.
Karazana fanadinana no sady fitsarana farany an’i Andry Rajoelina mantsy io, ka na izy mahay maka ny fon’ny olona dia afaka manomboka tantara vaovao indray, na izy mivatravatra sy miziriziry amin’ny heviny no sady hanilika hatrany ny ankolafy hafa, dia ho vita tanteraka ny aminy ary ho sarotra ho azy ny hiarin-doha, raha mbola hijanona eo amin’ny sehatry ny politika ihany izy. Ny olana goavana ho an’i Andry Rajoelina, raha araka ny fahitana azy dia ilay fitakian’ny sehatra iraisam-pirenena ny fananganana tetezamita iaraha-mitantana. Ireo mpiara-dia aminy anefa dia tsy manaiky an’io ary mety hivadika tanteraka aminy raha miverin-dalana izy. Etsy an-kilan’izany anefa dia misavorovoro ny fitantanan-draharaham-panjakana, mipoitra ny fitokonana sy fitakiana etsy sy eroa, ary mihamafy ny tolon’ireo manohitra ny FAT, no sady mahavory olona hatrany ; ny foloalindahy moa dia iny efa niala bala am-panajana iny ; ary nanaraka ny diany ny polisim-pirenena. Sahiran-tsaina tokoa, araka izany, i Andry Rajoelina satria tonga eo amin’ny fotoana tsy maintsy hanapahany hevitra sy hanaovany safidy makadiry izy, ary hotsarain’ny vahoaka sy izao tontolo izao amin’izany izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.