Politique

Tonton Ambroise Maika ny hamerenana ny fankatoavana iraisam-pirenena


  • Talata 11 Mey 2010

Nihazakazaka ny fielin’ny vaovao ny faran’ny herinandro teo fa mihevitra ny hiala eo amin’ny fitondrana i Andry Rajoelina. Na izany aza, hoy ihany ny resaka nandeha, dia manam-paniriana hirotsaka hofidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo izy ka mila antoka amin’izany.

Raha ny lalàmpanorenana manan-kery teo tokoa mantsy dia tsy afaka mirotsaka ho amin’izany i Andry Rajoelina satria «tsy ampy taona». Niteraka resabe io feo niely io. Maro amin’ny mpomba an’i Andry Rajoelina no kivy sy diso fanantenana ary nanondro azy ho namadika ny tolona. Mety amin’i Andry Rajoelina ny miala ary mamindra ny fahefana amin’ny Komity manokana iarahan’ny miaramila sy ny sivily mitantana «Comité d’alternance positive militaro-civile», fa efa latsaka an-katerena loatra ny firenena ary tandindomin-doza ny firaisam-pirenena, hoy kosa i Tonton Ambroise, mpitarika ny Mouvance Légaliste sady filoha nasionalin’ny antoko FRDL (Front Républicain Démocrate Légaliste) rahateo. Aminy dia ireo miaramila, zandary ary ny polisy madio tanana tsy niray tsikombakomba tamin’ny fanonganam-panjakana teto miampy ny mpanao politika sy teknisianina no hifanome tanana handrafitra io Komity io. Raha ny firafiny indray dia avy amin’ny komity no hanendry ny Filoha, ny Praiminisitry ny marimaritra iraisana tany Maputo kosa no lehiben’ny governemanta toy izany koa ireo Praiminisitra lefitra telo sy minisitra 28 araka ny voarakitry ny satan’i Maputo. Ny satan’ny soatoavina sy ny satan’i Maputo, izay efa neken’ny rehetra ary nankatoavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena no fototra itondran’io Komity io ny tetezamita izay hitondra mankany amin’ny fikarakarana fifidianana madio sy mangarahara ary ankasitrahan’ny daholobe.

Fa mialoha ny zava-drehetra, hoy i Tonton Ambroise dia tanterahina aorian’ny famindran’i Andry Rajoelina ny fahefana amin’ny Komity io ny fifonana amin’ny vahoaka malagasy, indrindra ny fifamelana sy famintranana indray ny fihavanana sy firaisankina eo anivon’ny foloalindahy. Anisan’ny andraikitra hotanterahin’ity «Comité d’alternance positive militaro-civile» ity ny fameranana ny hasin’ny Repoblika, ny famoahana ireo gadra politika hatramin’ny taona 2002 no ho mankaty, ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena ka hananganana ny Vaomieram-pirenena mahaleotena hisahana ny fifidianana, ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana, ny fanatanterahana miaraka ny fifidianana filohan’ny Repoblika sy ny depiote. Etsy an-daniny mba hampangarahara ny tetezamita, tsy hisian’ny fiandaniana na fitanilana, dia tsy maintsy manao fanekena, eny mianiana, fa tsy hirotsaka amin’ny fifidianana ho avy eo ny mpikambana eo anivon’ny governemanta. Izany dia mba hahafahana mahazo ny fankatoavan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny fitondrana, ka hiverenan’ny famatsiam-bola indray.

 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT