Politique

Ankolafy 3 «Na miala Rajoelina na mitsangana ny tetezamitam-paritra»


  • Talata 11 Mey 2010

Taorin’ny hetsika nakadiry nataon’ny ankolafy telo tao amin’ny kianja Stadium Barikadimy Toamasina, Magro Avaratsena Antsirabe, tany Toliara sy Antsiranana ny faran’ny herinandro teo dia re izao fa hitohy ary hiitatra amin’ny faritra hafa ny hetsik’izy ireo.

Nanamafy izany i Mamy Rakotoarivelo raha nikabary tao Toamasina ny alahady teo, dia nanambara fa «tsy maintsy mitohy ny tolona ho fametrahana ny fitondrana tetezamita iarahana, raha miziriziry amin’ny heviny i Andry Rajoelina. Manomboka izao dia tsy ao Antananarivo ihany no hanaovana izany fa hiparitaka manerana ny Nosy». Mialoha ny zoma izao, fotoana tokony hisian’ny fihaonana faharoa any Pretoria, dia efa hisy io hetsika io.

Tao Toamasina dia henjana ny fanakianana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita amin’izao fotoana. Vory maro tao amin’ny Stadium rahateo ny olona ny alahady teo. «Miala i Andry Rajoelina fa tsy natao ho mpitondra. Tsy manaiky ho zanatany frantsay intsony ny Malagasy na misisika mafy amin’izany aza ny FAT», hoy i Lalatiana Ravololomanana. Ho an’i Manoro Régis izay nohamafisin’ny profesora Zafy Albert niditra an-telefaonina dia nilaza fa «tsy misy firenena ho vanona sy hilamina izany raha tsy vita ny fampihavanam-pirenena». «Raha ny tokony ho izy sy ny fandaharam-potoana, dia ny zoma izao ny fotoana manaraka any Pretoria Afrika Atsimo ka na Rajoelina mandeha na izy manatanteraka ny efa vita sonia, raha tsy izany miala fa mampahantra vahoaka sy manabotry firenena», hoy kosa i Fetison Rakoto Andrianirina. I Victor Wong kosa no namaky bantsilana ireo mpiray tsikombakomba amin’i Andry Rajoelina, izay misy ny Malagasy misy koa ny vahiny frantsay, ka nilazany fa “raha hiziriziry i Andry Rajoelina dia hatsanganay tsy ho ela  ny tetezamitam-paritra hiarahan’ny daholobe mitantana». Nohamafisin-dRasomotra izany ka nilazany fa «raisintsika ny fitondrana raha misy ny fizirizirina ataon’ny FAT». 
 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT