Politique

Misafotofoto ny resaka Saro-piterahana ny Governemantan’i Vital


  • Alarobia 12 Mey 2010

Misafotofoto be ihany ny toe-draharaha politika eto amintsika amin’izao fotoana, ary raha ny tsiliantsofina re dia mbola mety hihemotra amin’ny andro manaraka indray ny fitsanganan’ilay governemantan’ny fanavotam-pirenena, nambaran’i Andry Rajoelina fa hitsangana tsy ho ela, taorian’ny fiverenany avy any Pretoria ny 01 mey teo.

Ny resaka mandeha ihany no nahafantarana fa tsy mankasitraka velively io eritreritry ny filohan’ny HAT hanangana governemanta iarahan’ny sivily sy ny miaramila io mihitsy ny sehatra iraisam-pirenena, ary na ny Frantsay aza dia tsy dia marisika firy ny hanaovana izany. Ka mety ho izay no antony mampihisatra ny fijoroany. Na izany aza dia efa hatramin’ny alatsinainy lasa teo no mandeha ny feo fa am-polony ny minisitra tsy voatazona intsony, ary 3 ka hatramin’ny 5 eo no mety mbola ho tafajanona amin’ny toerany. Raha ny vaovao voaangona anefa dia efa tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity no fantatra avokoa ny anaran’ireo minisitra handrafitra ity governemanta iarahan’ny sivily sy nymiaramila ity, saingy toa hoe misy sahady, ao ambonimbony ao, no tsy mankasitraka ny fanendrena ny minisitra sasany ; araka ny feo mandeha ihany dia anisan’ny nahazo fanakianana, ohatra, ny mety ho minisitry ny fiaraovam-pirenena vaovao. Hatramin’ny nanesorana ny jeneraly Noel Rakotonandrasana moa dia ny jeneraly misotro ronono Sylvère Manakana no voatonona matetika fa mety apetraka eny Ampahibe.

Ankoatra ity manamboninahitra ity anefa, dia misy anarana kolonely maromaro voatonona fa mety hotendrena ho minisitry ny fiarovam-pirenena. 30 no fantatra fa isan’ny minisitra ao anatin’ny governemanta vaovao, ka miaramila ny 18 amin’ireo. Raha ny fandaharam-potoana tany am-boalohany dia amin’ity anio ity no hiatrika ny filankevitry ny minisitra voalohany ary aseho amin’ny fomba ofisialy ireo minisitra rehetra izay tarihan’ny praiminisitra Camille Vital. Mety tsy ho tanteraka indray anefa izany noho ireo sakana avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny fahamafisan’ny fanoherana avy amin’ireo ankolafy telo sy ny vondrona politika hafa. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT