• Alakamisy 27 Mey 2010
Politique.Fikaonandoha eny Ivato Tsy mahaleo tena ireo mpikarakara, hoy i Roland Ratsiraka

Nisy ny fanakianana ireo mpitondra teo aloha sy ny mpitondra amin’izao fotoana nandritra ny fihaonan’ny MTS tami’ny vahoakan’i Toamasina ny alahady lasa teo. Ny tena voakiana mafy dia ingahy Ravalomanana Marc sy ny ben’ny tanànan’i Toamasina Dr Rakotomanana Gervais.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 26 Mey 2010
Politique.Tonton Ambroise Marary mafy ao Antanimora

Mandringa, tantanan’olon-droa vao afaka mamindra, miakatra 20,5 ny tosi-dra, mitaraina marary mafy any amin’ny kibo, i Tonton Ambroise noho ny daroka tsy nisy fiantrana nataon’ny miaramilan’ny FIS azy nandritra ny fisamborana azy tao amin’ny Fréquence Plus ny sabotsy 15 mey lasa teo raha vahinin’ity radio ity hiady hevitra politika izy, hoy ireo olona akaiky azy.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 26 Mey 2010
Politique.Malagasy Tonga Saina «Ny akademisianina no tokony hikarakara ny fikaonandoham-pirenena”

“Ratsy ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny. Mikorontana ny sain’ny Malagasy rehetra, anisan’izany ny manampahaizana sy ny avara-pianarana.”.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 25 Mey 2010
Politique.Governemanta Vital Raharahan’ny jeneraly, nahena ny isan’ny vehivavy

Nasiam-panovana nanomboka omaly ny firafitra sy ny mpikambana ao amin’ny governemanta Vital, araka ny didim-panjakana laharana 2010-360 ny 24 mey 2010.

Hamaky ny tohiny
FTT