Politique

Fikaonandoha eny Ivato Tsy mahaleo tena ireo mpikarakara, hoy i Roland Ratsiraka


  • Alakamisy 27 Mey 2010

Nisy ny fanakianana ireo mpitondra teo aloha sy ny mpitondra amin’izao fotoana nandritra ny fihaonan’ny MTS tami’ny vahoakan’i Toamasina ny alahady lasa teo. Ny tena voakiana mafy dia ingahy Ravalomanana Marc sy ny ben’ny tanànan’i Toamasina Dr Rakotomanana Gervais.

Teo koa ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny filoha lefitry ny HAT Roland Ratsiraka sy ny filohan’ny FAT Andry Nirina Rajoelina amin’ny zava-misy. Nambaran’ingahy Roland Ratsiraka mantsy fa “tsy marina ny filazana fa tsy nisy zava-bita ny 50 taona nahazoana ny fahaleovantena. Misy ny zava-bitan’ireo filoham-pirenena malagasy tao anatin’izay 50 taona izay ary mbola izao nolovaina hatramin’izao izy rehetra ireo” na nodinganiny sy tsy nasiany resaka aza ny filoha Ravalomanana Marc, ary nambarany fa “tsy ahoako sy tsy ampiasako loha ny fitondran-dRavalomanana efa nirodana”. Raha ny hevitr’i Roland Ratsiraka dia “tsy mahaleo tena ireo hikarakara ny fihaonambe atao ny faran’ny volana mey izao, vao mainka hanaratsy ny fitondrana eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny vahoaka malagasy ny fanaovana azy io noho ny tsy fahalalahan’ny mpikarakara azy sy ny zavatra hodinihana ao”.

Raha ho anay MTS dia “tokony hoteren’ny tafika ny mpanao politika malagasy hitady vahaolana ao anatin’ny 24ora monja ka tsy mihoatra ny enim-bolana ny faharetan’ny tetezamita”. Nohamafisiny koa anefa fa “tsy azo ekena izany filoham-pirenena tsy manana fahefana feno izany amin’ny repoblika faha-04... ny fampizarana ny fahefana amin’ny faritra sy ny fanomezana azy vola hiasana amin’ny filana any aminy no tokony hohamafisin’ilay lalàmpanorenana vaovao hapetraka, hisian’ny fampandrosoana isam-paritra marina eto amintsika”. Taorian’i Toamasina I, dia i Mahanoro indray no nanaovana ny hetsika ny alatsinain’ny pentekosta, ary mbola nisiana tombola ihany koa. Tsikaritra hatrany kosa fa efa mihena ny lanja politikan’i Roland Ratsiraka ao Toamasina raha ny olona niatrika ny hetsika natao no jerena. Ankoatra izany efa manomana kianja hilalaovana amin’ny fifidianana ho avy ny MTS na mody asa sosialy aza no atao betsaka ankehitriny.

 
Ratah
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT