Politique

Mpitondra FAT Lasa mpanefoefo daholo


  • Alarobia 26 Mey 2010


Saiky lasa miliardera daholo mihitsy ny mpitondra amin’izao tetezamita izao. Miainga hatrany amin’ny lohany ka hatrany amin’ny farany ambany indrindra. Raha tsy hilaza afa tsy ireo sasantsasany fotsiny ohatra. Manodidina ny 80 ny isan’ireo fiara Toyota V8 saika nandraisana ny fivoriana an-tampon’ny vondrona afrikanina. Efa tonga teto avokoa ireo fiara ireo ary amin’izao fotana izao dia telo sa efatra sisa no hita ampaisaina eny Ambohitsorohitra. Araka ny fanampim-baovao dia ny lafin-kavan’ny mpitondra ambony no naka ireo fiara ireo tany amin’ny fadin-tseranana tany Toamasina. Teny an-dalana anefa dia efa nanomboka nisy ny nivily lalana tamin’ireo fiara ary tsy hita intsony aza ny sasany amin’izao fotoana. Ireo fiara Toyota Camry sy Yaris ihany koa dia am-polony maro tahaka izay. Ankoatra ireo dia fantatra ihany koa fa saika ireo mpitondra ao amin’ny FAT ihany no ao ambadiky ny raharaha "bois de rose".

Ny sabotsy 22 mey teo indray dia ny rahalahina mpitondra ambony no namoaka siramamy 40 kaontenera tao Toamasina. Andro tsy fiasana io kanefa vitany ihany ny namoaka ireo entana ireo ary tsy vitan’izay fa taratasy tsotra dia efa ampy namoahana ireo siramamy. Ankoatra ireo dia betsaka ihany koa ny resaka mikasika ny kidnapping sy fakana vola amin-kery amin’olona tato ho ato izay. Simba mihitsy ity firenena ity nandritra izay 14 volana izay.
 
Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT