Politique

Malagasy Tonga Saina «Ny akademisianina no tokony hikarakara ny fikaonandoham-pirenena”


  • Alarobia 26 Mey 2010

“Ratsy ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny. Mikorontana ny sain’ny Malagasy rehetra, anisan’izany ny manampahaizana sy ny avara-pianarana.”.

Izay no nambaran’ny Malagasy Tonga Saina na MTS tahrihin’i Roland Ratsiraka, mahatonga izao zava-misy mangotraka isan’andro ara-politika eto amintsika izao. Ho an’ny MTS izany dia “tokony hampiasaina ny Akademia Malagasy amin’ny famahana ny krizy. Izy ireo no mihazona ny tantaran’i  Madagasikara, mahafantatra ny soatoavina Malagasy ary mahalala tsara ny atao hoe Malagasy izany. Ka raha ny hevitray MTS dia ilay fihaonana atao ny faran’ny volana izao dia tokony ho ireo Akademisianina ireo no hanomana sy hitarika azy ary mandrindra ny lahadinika rehetra”. Milaza hatrany anefa ny MTS fa “mandritra ny iray andro tontolo no hanaovana ny fihaonana, ary tsy afaka mivoaka ao raha tsy misy zavatra tapaka sy hevitra famahana ny krizy miverimberina eto amintsika ity. Miankina amin’ny finiavana sy fifandeferana eo amin’ny rehetra, sy ny mpanao politika ary ny mpanohana sy ny mpanohitra ny hahavitana izany”. Amin’izy ireo mantsy dia “efa be loatra ny fihaonana natao teto izay nokarakaraina izay. Efa in-telo izao no tena goavana tamin’izany. Ny olana anefa ny fanatontosana azy sy ny fanarahana ny nifanarahana sy ny nanaovana sonia, ka io tsy fanatontosana ny teny nifanomezana sy nekena ary niaraha-nandray fanampahan-kevitra io no mampitarazoka ny krizy ka mahatonga ny fikorontanan-tsain’ny maro hatramin’ny tafika mihitsy”. Nambaran’ny MTS koa fa ho azy ireo dia ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy sy fanomezana fahefana feno ny faritra, no vahaolana haingana sy mamaha amin’ny ampahany aloha izao krizy izao”.

Nanao fihaonana manokana tamin’ny vahoaka mpanara-dia azy tao amin’ny Stadium Barikadimy Toamasina moa ny sabotsy lasa teo ny MTS, nisy ny “tombola” manokana natao nandritra izany, izay nomen’izy ireo ny lohahevitra hoe “Tombola hanova ny fiainanao”. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT