Politique

Governemanta Vital Raharahan’ny jeneraly, nahena ny isan’ny vehivavy


  • Talata 25 Mey 2010

Nasiam-panovana nanomboka omaly ny firafitra sy ny mpikambana ao amin’ny governemanta Vital, araka ny didim-panjakana laharana 2010-360 ny 24 mey 2010.

Dimy volana taorian’ny nanendrena an’i Camille Vital ho Praiminisitra lehiben’ny governemanta vao noraisina ny tolo-keviny hanoloana ireo minisitra hiara-hiasa aminy anatin’ny governemanta. Vokany, minisitra sivy no nesorina ary nosoloina olon-kafa, dia i Manorohanta Cécile (atitany) izay mety ho tratry ny tsy fahombiazana raha tarafina tamin’ny raharaha fanendrena PDS tao Manakara. Nisaorana koa ny Pr Alain Bernard Teandrazanarivelo (fahasalamana), izay nivoaka sempotra tamin’ny grevin’ny mpiasan’ny fahasalamana tamin’ny ankapobeny nahitana ny “Paramédicaux” an-daniny ary ny dokotera an-kilany. Nesorina koa i Alain Andriamiseza (jono), asa na hifoha hanaraka azy ireo raharaha nahavoarohirohy ara-pitsarana azy tamin’ireny resaka baomba tamin’ny volana jona 2009 ireny. Efa nampoizin’ny maro kosa ny hanilihana an’i Gilbert Raharizatovo (kolontsaina) izay efa tsy nitsahatra nitety faritra nanitatra ny ambaindain’ny antokony hiomana amin’ny fifidianana. Ho an’i Nathalie Rabe (serasera) sy Augustin Razafinarivo Andriamananoro (fifandraisan-davitra) dia taolana ho azy ireo ny raharaha Radio Fahazavana sy ny savoritaka misy ankehitriny eo amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety sy ny haino amanjery amin’ny ankapobeny.

Nanamaloka ny asan-dRakotonirina Jean Claude (varotra) ny raharaha Tiko niandoha tamin’ny fanagejana sy ny famaboana ny vary sy ny menaky ny Tiko ary ny koba nandalo tamin’ny fampanantenana hivarotra vary 500Ar ny kilao ary menaka 2000Ar ny litatra, nitohy tamin’ny famatsiana nambara fa hiaraha-miasa tamin-dry zareo Saodianina nefa tsy re popoka. Azo antoka fa ny resaka “bois de rose” no nanilihana ny jeneraly Randriamiandrisoa Calixte teo anivon’ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny ala. Raho-mainty nitatao tamin’ny jeneraly Claude Ravelomanana (zandarimariam-pirenena) kosa ny raharaha FIGN, izay namoizana aina miaramila telo raha ny 20 mey teo fotsiny no tsiahivina. Tsy ny fibaikoana ihany no voatohintohina tamin’iny raharaha iny fa ny rafi-pifehezana tamin’ny ankapobeny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena mihitsy.

Na izany aza dia ahitana mpikambana 31 ao amin’ny governemanta Vital saingy ny firafiny no niova. Nofoanana mantsy ny toeran’ny Praimatiora lefitra telo teo aloha fa dia Minisitera avokoa no ao anatiny afa tsy roa mijanona ho Sekretariam-panjakana. Folo ireo Minisitra vaovao, dia ny jeneraly Rakotoarimasy André Lucien (foloalindahy), Jean (Atitany), ny jeneraly Rajaonarison Pascal Jacques (fahasalamam-bahoaka), Mahazoasy Freddie (Varotra), Lietna kolonely Mandehatsara Georget (jono sy ny harena an-dranomasina), jeneraly Raveloharison Herilanto (tontolo iainana sy ny ala), Rahaingoson Iharizaka (fifandraisan-davitra sy ny paositra ary ny teknôlôjia maoderina), Rakotomalala Mireille Mialy (kolontsaina sy ny vakoka), Félix Malazarivo (serasera) ary ny jeneraly Randrianazary (Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena). Mijanona amin’ny toerany avokoa ireo Minisitra 22 ambiny saingy nihemotra ho Minisitra tsotra Ramaroson Hippolyte raha Praiminisitra lefitra teo aloha. Raharahan’ny samy jeneraly ity governemanta ity. Jeneraly dimy be izao izy ireo no mpikambana ao ankoatra an’i Camille Vital izay efa jeneraly rahateo, miampy lietna kolonely iray. Izay no endriky ny governemanta teknisianina? Fa nihemotra ny miralenta eto Madagasikara. Nihena ho dimy mantsy ny isan’ny vehivavy ao amin’ny governemanta Vital rehefa avy nasiam-panovana raha enina izany teo aloha. Olom-baovao ao anatin’izany ny Minisitry ny kolontsaina sy ny vakoka, Rakotomalala Mireille Mialy, nisolo toerana an’i Gilbert Raharizatovo. Fanontaniana mipetraka eto ny hoe, inona no nanenjikenjehana ny fanovana ity governemanta ity ? Tsy ny hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena aloha, satria mbola ankolafy tokana no nanangana azy ary raha nakana tahaka ny voarakitry ny satan’i Maputo firafiny teo aloha dia nialan’ny FAT izany, tamin’ny nanafoanany ireo toeran’ny Praiminisitra lefitra telo. Tsy misy afa tsy ny fanomanana sy fanatanterahana ny dinika nasionaly kasain’ny FAT hatao manomboka amin’ny alarobia izao izany no antony.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT