Mandringa, tantanan’olon-droa vao afaka mamindra, miakatra 20,5 ny tosi-dra, mitaraina marary mafy any amin’ny kibo, i Tonton Ambroise noho ny daroka tsy nisy fiantrana nataon’ny miaramilan’ny FIS azy nandritra ny fisamborana azy tao amin’ny Fréquence Plus ny sabotsy 15 mey lasa teo raha vahinin’ity radio ity hiady hevitra politika izy, hoy ireo olona akaiky azy.
Notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora nanomboka ny alatsinainy 17 mey i Tonton Ambroise, filoha nasionalin’ny antoko Front Républicain et Démocratique Légaliste (FRDL) sady mpitarika ny “Mouvance Légaliste”, rehefa nandalo ny fampanoavana. Ny andron’ny nisamboarana azy dia efa nitaraina narary ity mpanao politika ity, noho ny vono nihatra taminy. Mbola tao amin’ny toerana nitazonana azy teny Fiadanana dia efa niakatra ny tosi-drany. Mety ho nentin’ny hatairana nefa mety ho fikorontanana nateraky ny dona samihafa vokatry ny toto vodi-basy nataon’ny FIS azy. Nisy ny fizahana nataon’ny mpitsabon’ny fonja izay nanamarina tamin’ny alalan’ny «Certificat médical» nomena ny 18 mey mikasika ireo aretina itarainan’i Tonton Ambroise. Mbola io taratasy fanamarinana taorian’ny fizaham-pahasalamana natao tamin’ny 18 mey io no milaza ny tokony hamonjeny toeram-pitsaboana manokana ahafahana manao fitarafana ny faritry ny loha, ny vaniha ary ny vatany amin’ny ankapobeny. «Radio du crâne», «scanner», «radio du bassin» no voambolana teknika nampiasain’ny dokotera ao amin’ny fonja hanondroana ny zavatra tokony hatao mikasika ity mpanao politika ity ka mila hanatonany toeram-pitsaboana hafa fa tsy vita ao an-toerana izany. Herinandro aty aorian’io «Certificat médical» io anefa dia nihitsoka ao am-ponja i Tonton Ambroise. Ny zon’olombelona no voatohintohina amin’ny endri-javatra toy izao. Rahampitso alakamisy 27 mey tolakandro no hiakatra fitsarana i Tonton Ambroise. Faniratsirana filoham-panjakana moa no anisan’ny iampangana azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.