Politique

Ambatondrazaka Miandry mpitari-tolona tena sahy !


  • Alarobia 26 Mey 2010


Tahaka ny any amin’ireo faritra hafa dia mba miandrandra ny fahatongavan’ireo mpitarika ny hetsiky ny ankolafy 3 any aminy ihany koa ny vahoakan’Alaotra araka ny vaovao voaray avy any an-toerana. Misy ihany isan’andro ny fihaonana sy fivoriana eo amin’ireo mpitolona izay tsy manaiky ny fijoroan’izao tetezamitan’ankolafy tokana izao, saingy somary miafinafina sy mangingina izany ho an’ny ao Ambatondrazaka. Noho ny tsy fisian’ny toromarika hentitra sy mazava moa, ary ny tsy fifandraisana mivantana amin’ireo mpitarika no mahatonga izany, araka ny resaka nifanaovana tamin’ireo mponina tany an-toerana. Ho an’izy ireo dia mpitari-tolona manaitaitra sy tena sahy ary mivantambatana fiteny no tadiavin’izy ireo. Sarotra ihany mantsy ny inoana fa hahomby ny hetsika na ny tolona, araka ny filazan’izy ireo, raha toa ka matahotra sy kanosa ny mpitarika azy. Mikasika ny fanovana ny governemanta ny alatsinainy teo indray, dia tsy manaitra firy ny mponin’Alaotra izany, satria tsy dia misy azo antenaina firy amin’ny fanatsarana ny fiainan’izy ireo, araka ny fanangonam-baovao natao ihany. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT