- Talata 17 Aogositra 2010
Politique.Constant Raveloson “Fanova-maso no nataon-dRajoelina”
Hamaky ny tohiny
Hamaky ny tohiny
Tsy mbola nifarana ny krizy eto Madagasikara na dia eo aza ny filazan’ny sasany fa tapitra tamin’ny andro nanasoniavana ny fifanarahana politika teny Ivato teo amin’izy ireo ny olana. Tsy hahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena mihitsy ireny, hoy i Manandafy Rakotonirina, raha nitafa tamin’ny Tia Tanindrazana.
Hamaky ny tohinyTsy tanteraka ny fanatanterahana didim-pitsarana fa misy hatrany ny teny midina sy ny baiko avy amin’ireo olona ambony eo anivon’ny FAT. Santionany amin’izany ny zava-misy ao Nosy Be, mahakasika ny resaka tany. Nanapaka ny fitsarana fa tokony hiala, hesorina sy harodana ny fotodrafitrasa najoro tsy ara-dalàna tamina tanin’olona iray.
Hamaky ny tohinyNaneho ny heviny mikasika ilay fifanarahana politika niarahan’ny antoko politika miisa 80 sy ny FAT nosoniavina teny Ivato, ny zoma 13 aogositra teo ny Pastera Mailhol omaly. Maro ireo lesoka hitany izay nambarany fa mety ho vato misakana goavana amin’ny fankatoavan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena an’i Madagasikara.
Hamaky ny tohinyAnkoatra ny fahavononany ny hitondra ny traikefany sy ny fahaizana amam-pahalalany amin’ny famahana ny krizy, dia nitondra fanazavana misimisy kokoa momba ny CIJ na ny Cour Internationale de Justice, na fitsarana iraisam-pirenena, ny Profesora Raymond Ranjeva, izay niasa nandritra ny 18 taona teo anivon’ity rafitra ara-pitsarana ambony indrindra eto ambonin’ny tany ity.
Hamaky ny tohinyHamaky ny tohiny