Mibaribary nanomboka tamin’iny zoma 13 aogositra iny hoe iza no manao inona eto amin’ny firenena ? Fanova-maso no nataon-dRajoelina, hoy Raveloson Constant. Ny UDR ihany no rafitry ny ESCOPO (Espace de concertation politique), hoy izy. Amin’ilay hoe lisitra dia mitovy ny anarana fa ny sonia no samihafa. “Izay azo vidiana eto dia vidiana, izay tsy azo vidiana dia vonoina”, hoy ihany izy. “Misaotra an-dRajoelina nandray izay ratsy taty amintsika”, hoy ihany ity mpitari-tolon’ny MFM izay nilaza fa misy amin’ireo nivory sy nanao sonia teny Ivato tsy mahafantatra akory izay tsy tokony hahombiazan’ny satan’i Maputo fa dia bodongerona fotsiny tsotra izao. Ankoatra izay dia notsipihin’i Constant Raveloson ihany koa fa didy hitsivolana sy ny fampiharana azy no tokony ho nataon-dRajoelina sonia. Tokony ho tamin’ny anaran’ny Ankolafin’ny tenany no nanaovany sonia iny fifanarahana iny. Momba ny tafika moa dia nambaran-dRaveloson Constant fa tsy misy te ho tratra farany miaraka amin-dRajoelina izy ireo. Mandalo ihany mantsy i Andry Rajoelina fa ny tafika sy ny vahoaka no mitoetra. Ireo ‘Tafika’ tonga teny Ivato dia tsy nitondra ny maha tafika azy fa nandeha tamin’ny anarany manokana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.