Politique

Nosy Be Manjaka ny teny midina


  • Talata 17 Aogositra 2010

Tsy tanteraka ny fanatanterahana didim-pitsarana fa misy hatrany ny teny midina sy ny baiko avy amin’ireo olona ambony eo anivon’ny FAT. Santionany amin’izany ny zava-misy ao Nosy Be, mahakasika ny resaka tany. Nanapaka ny fitsarana fa tokony hiala, hesorina sy harodana ny fotodrafitrasa najoro tsy ara-dalàna tamina tanin’olona iray.

Tonga àry ny vaditany hampihatra ny didim-pitsarana saingy niainga ny antso an-tariby avy amin’ireo tomponandraikitra ambony milaza ny fampiatoana ilay didim-pitsarana. Araka ny vaovao, dia nilaza fa ho mpiara-dia amin’ny FAT ary mahafantatr’olona eo anivon’ny FAT ilay teratany vahiny naka tsy ara-dalàna ary resy teo anatrehan’ny fitsarana. Vokany, nihantona tokoa ny fampiharana ny didim-pitsarana satria nahita lalana ambanin’ny tany izy. Fomba fiasa eo anivon’izao fitondrana izao mihitsy ilay hoe teny midina ary tsy araka ny lalàna ? Tsy tany Nosy Be ihany no hitrangan-javatra toa izany fa teo, ohatra, ny raharahan’ny orinasa Tiko tany Toamasina, tany Taolagnaro, ny tokony hialan’ny sampandraharahan’ny ministeran’ny vola ao amina tranon’olona manokana ary eto an-drenivohitra, tetsy Isotry izay nanaovan’ny ministra iray be midina mihitsy fa hoe tsy tokony hesorina eo amin’ny tany ireo olona kanefa tsy ara-dalàna.

Sekretera jeneraly, mpikambana amin’ny FAT, ministra, raha tsy hiteny afa tsy ireo no sokajin’olona misakana ny hampiharana izay didy avoakan’ny fitsarana. Raha izao no mitohy, mety tsy dia misy ilana intsony ny fitsarana satria izay didy avoakany dia ravana taratasy na antso an-tariby. Lavitra be, araka izany, ilay hoe tany tan-dalàna dradraina etsy sy eroa. Rehefa tsy manaiky ilay antso an-tariby ireo vaditany dia mazava ho azy fa miandry azy ireo ny fitoriana, ny fampiantsoana, eny ety hiafara hatramin’ny famonjana mihitsy izany. Fantatra moa ankehitriny fa tsy maintsy maka ilay atao hoe “instruction” na toromarika momba ny vokatra didim-pitsarana ireo vaditany ankehitriny, indrindra raha momba fanesorana na fandrodanana tranon’olona ilay didim-pitsarana. 

Soa     

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT