Politique

Pr Raymond Ranjeva “Tsy tokony ho olana amintsika ny mahita vahaolana”


  • Talata 17 Aogositra 2010

Ankoatra ny fahavononany ny hitondra ny traikefany sy ny fahaizana amam-pahalalany amin’ny famahana ny krizy, dia nitondra fanazavana misimisy kokoa momba ny CIJ na ny Cour Internationale de Justice, na fitsarana iraisam-pirenena, ny Profesora Raymond Ranjeva, izay niasa nandritra ny 18 taona teo anivon’ity rafitra ara-pitsarana ambony indrindra eto ambonin’ny tany ity.

Maro ihany mantsy ny fahadisoan-kevitra eo amin’ny olona, indrindra fa ny eto Madagasikara, ny amin’ny andraikitra sahanin’ny CIJ. Nambaran’ny Pr Raymond Ranjeva ary fa fitsarana mitsara ny raharaha mampifanolana ny firenena samy firenena ny CIJ. Tamin’ny 1920 izy ity no noforonina, ary ny hitsarana ny amperora alemana tamin’izany fotoana no antony nananganana azy. Araka ny fanazavan’ny Pr Raymond Ranjeva dia mbola ambony grady noho ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana ny filohan’ny CIJ ary tsy azo hiadian-kevitra na ampiakarina amin’ny rafi-pitsarana hafa ny didy avoakan’izany fitsarana iraisam-pirenena izany. Mikasika ny fomba hahatafidiran’ireo mpitsara na mpahay lalàna ao anatiny kosa dia nanamarika izy, fa tsy hoe tendren’ny governemanta avy any aminy akory ilay olona fa misy rafitra mazava efa napetraka ary tsy maintsy arahana.

Rafitra dimy tonta no misafidy izay olona atolotry ny firenena iray mba hifaninana hiditra ao amin’ny CIJ. Ho an’ny eto Madagasikara manokana dia eo ny manampahaizana sy manana ny fahalalana faratampony amin’ny resaka lalàna eo amin’ny fitondram-panjakana, ny avy ao amin’ny holafitry ny mpitsara sy avy ao amin’ny holafitry ny mpisolovava, ny avy ao amin’ny oniversite ary ny avy ao amin’ny Akademiam-pirenena. Aorian’izay dia ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana sy ny filankevi-pilaminan’ny Firenena Mikambana no mifidy izay hampidirina ao anatin’ny CIJ. Miaraka tanterahana ny fifidianana, ary matetika dia misy fihodinana maro be tokoa, vao tafavoaka ny kandida iray. Tsy maintsy mahazo ny antsasa-manila amin’ireo rafitra roa lehibe eo anivon’ny Firenena Mikambana ireo mantsy vao lany ny kandida iray. Ho an’ny profesora Raymond Ranjeva manokana dia nambarany fa tamin’ny nifidianana azy voalohany dia in’efatra ny fihodinana ary tamin’ny nahalany azy faharoa kosa, dia tsy nisy afa tsy in-droa ny fihodinana.

Tsy mbola nisy mihitsy ny tahaka izany ho an’ny firenena an-dalam-pandrosoana, araka ny nambarany. Nanamafy moa izy fa henjana ny asa eo anivon’ny fitsarana iraisam-pirenena, kanefa mahafinaritra ihany koa satria nahafantarana zavatra maro sy nahazoana traikefa tsy manam-paharoa. Ny profesora Raymond Ranjeva moa dia nanamafy fa tena malaza ho mahay sy mahira-tsaina ny Malagasy ka tsy tokony ho olana amintsika mihitsy, ny mahita vahaolana mahomby sy maharitra amin’ny krizy, ary mety ho isika indray aza no hataon’ny any ivelany fitaratra amin’ny famahana krizy, any aoriana any.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT