Naneho ny heviny mikasika ilay fifanarahana politika niarahan’ny antoko politika miisa 80 sy ny FAT nosoniavina teny Ivato, ny zoma 13 aogositra teo ny Pastera Mailhol omaly. Maro ireo lesoka hitany izay nambarany fa mety ho vato misakana goavana amin’ny fankatoavan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena an’i Madagasikara.
Anisan’izany, hoy izy, ny tokony ho nanaovana ilay fifanarahana niaraka tamin’ireo Ankolafy Telo mpanohitra fa tsy nijanona ho an’ireo antoko politika miisa 80 izay manohana ny fitondrana misy ankehitriny ihany. Nasiany teny koa ny mikasika ireo mpanao politika toa an’i Voninahitsy Jean Eugène izay tsy mbola nahazo famotsoran-keloka akory nefa nanao sonia ity fifanarahana ity izay mifanohitra tanteraka amin’ny lalàna velona misy. Ny farany sady goavana indrindra dia ny nanaovan’ny filohan’ny FAT sonia ilay fifanarahana raha tokony hijanona ho mpanatrika fotsiny ihany ny tenany. Midika tsy fanarahan-dalàna ataon’ny FAT avokoa ireo rehetra ireo ho an’ny Pastera Mailhol izay nahita taratra sahady ihany koa ny amin’ny mety tsy hahombiazan’iny fifanarahana politika iny. Tsy nijanona ho mpaneho hevitra fotsiny anefa ny Pastera Mailhol nandritra izany fa nanolotra vahaolana ihany koa hahafahana manafaingana ny fotoanan’ny tetezamita hanamaivanana ny fahasahiranam-bahoaka. Naverina fa tokony hiarahana amin’ireo Ankolafy Telo mpanohitra ny fifanarahana. Tokony hovitaina mialoha ny 11 Martsa 2011 ihany koa, hoy izy ny fifidianana sy ny fitondrana tetezamita ary ny fe-potoana hiasan’ny HCC izay efa tsy ara-dalàna intsony satria efa banga iray.
Ny mahagaga anefa, hoy ihany izy dia vao mainka mampahazo vahana ny fitondrana tetezamita ny fisian’ity fifanarahana ity raha ny hidirana any amin’ny Repoblika fahefatra no mahamaika. Tsy misy mantsy raha tsiahivina ny daty mazava tapaka hamaranana ny tetezamita ho an’ity fifanarahana ity. Tsy misy ihany koa ireo mpanara-maso izay hitsara sy hanasazy ireo tsy mankato izay nosoniaviny raha toa ka misy izany ankoatra ny fampitomboana ny fe-potoana hiasan’ny HCC. Marihina fa hevitra tinapaka tao anatin’ny Maputo sy ny fifanarahana tovana Addis Abeba ny ankamaroan’ireo nalaina narafitra ho ao anatin’ity fifanarahana politika ity saingy tsy manara-dalàna no sady tsy hahavaha olana akory.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.