• Alarobia 18 Aogositra 2010
Politique.Tabera Randriamanantsoa “Bye bye” Rajoelina !

“Na eny an-tsena, na aiza na aiza, dia efa tsy misy manaiky an-dRajoelina intsony”, hoy i Tabera Randriamanantsoa, avy amin’ny ankolafy Zafy Albert raha nikabary tao amin’ny Magro Behoririka izy omaly.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 18 Aogositra 2010
Politique.Kung Fu Wisa Hanao fanambarana goavana amin’ny sabotsy

Feno 30 taona amin’ity 2010 ity ny nidiran’ny Kung Fu Wisa teto Madagasikara. Ho fanamarihana izany dia hisy ny hetsika goavana hokarakaraina ny sabotsy 21 aogositra ho avy izao eny amin’ny Kianja maitso Alasora.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 18 Aogositra 2010
Politique.Fifanarahana Politika Ny tsiambaratelony

Efa ho volana vitsivitsy izao no nisy ny fivoriana miafina teo amin’ny mpanao politika vitsivitsy mba handinihana ny famahana ny krizy amin’ny alalan’ny fifampiresahan’ny samy Malagasy, ary tsy misy fijabahan’ny vahiny mihitsy.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 18 Aogositra 2010
Politique.Roland Ratsiraka “Vandy ny filazana fa tsy mila famatsiam-bola avy any ivelany isika”

«Tsy afa-mandeha lavitra isika satria tsy manam-bola, raha tsy mahazo ny fankatoavan’ny sehatra iraisam-pirenena, ary tena diso hevitra mihitsy ireo milaza fa vitantsika ny mampandeha ny tetezamita sy manatanteraka ny fifidianana na dia tsy eken’izao tontolo izao aza ny fanjakana mijoro eto».

Hamaky ny tohiny
  • Talata 17 Aogositra 2010
Politique.Fivoahana amin’ny krizy Ny CNOSC no fanavotana farany ?

May volon-tratra ny mpanao politika ka mitady hevitra hisarangotana. Fa dia ahoana loatra re no dia mitady hatao tefy maika ny fananganana ity lazaina hoe : Repoblika faha 4 ity eh ? Tsapa sy hita taratra izao fa vitsy ny mpanao politika tena tia tanindrazana fa ny ankamaroany dia ny mpitady seza sy ny tombontsoa manokana fotsiny.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 17 Aogositra 2010
Politique.Atsimondrano Tokony hotsaraina Rajoelina sy ny FAT

Tokony hotsaraina i Andry Rajoelina sy ny FAT sy ireo nandray anjara mivantana na ankolaka tamin’ny baiko ka nandoro ny RNM sy TVM sy ireo orinasa hafa ka nahatonga olona an’arivony maro ho very asa tsy fidiny, hoy ny fiverimberin’ny kabary tao amin’ny tokotany malalaky ny Magro Tanjombato ny alahady 15 aogositra tolakandro.

Hamaky ny tohiny
FTT