Politique

Manandafy Rakotonirina Fahotana mahafaty no nataon-dRajoelina


  • Talata 17 Aogositra 2010

Tsy mbola nifarana ny krizy eto Madagasikara na dia eo aza ny filazan’ny sasany fa tapitra tamin’ny andro nanasoniavana ny fifanarahana politika teny Ivato teo amin’izy ireo ny olana. Tsy hahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena mihitsy ireny, hoy i Manandafy Rakotonirina, raha nitafa tamin’ny Tia Tanindrazana.

Tia tanindrazana : Ahoana ny fahitanao ny zava-misy amin’ny ankapobeny ? Manandafy Rakotonirina : Fialonana sy tahotra an-dRavalomanana hoe nahavita nikarakara ka handraisan’i Madagasikara fihaonambe iraisam-pirenena toy ny an’ny Vondrona Afrikanina sy ny Frankofonia ka hoe ho tafajanona eo mandrakizay izy no antony nanonganana azy teo. Efa zavatra tena niadiana hatramin’izay, hatramin’ny andron-dRatsiraka na tany Tripoli (Libye), na tany La Havane (Cuba) ny mba hahazoan’i Madagasikara mandray fihaonana iraisam-pirenena. Rehefa nanana ny fotodrafitrasa ho amin’izany anefa isika, anisan’ireny ny Centre de Conférences International Ivato, dia izao no atao. Fahotana mahafaty no nataon-dRajoelina. Iza no Malagasy hanaiky hatao anjorombala lava izao ? Rahoviana isika vao ho afaka amin’izany fomba fisainana izany ? ‘Génération’ kitoatoan’olona mihitsy ny amin’izao. Ho an’ny International Liberal izao dia efa hatramin’ny taona 2006 no naniry hanao fihaonana aty aminstika. Amin’izao isika manana ny fotodrafitrasa saingy eo amin’ny tontolo politika, afaka handray izany ve ? 

TT: Inona ary no vahaolana ?
MR: Hatramin’izao dia variana amin’ny resaka adim-poko ny Malagasy. Santionany fotsiny izay. Hatramin’izay dia mihobihoby foana izay filoham-pirenena eo ny Gasy. Tokony hanao toy ny ataon’i Etazonia isika. Ny filoham-pirenena manolotra izay heveriny fa tokony homena toerana fa ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona no manapaka, manana ny teny farany amin’ny fanendrena ireo mpiasam-panjakana ambony. Amin’izay tsy hisy intsony ny fitarainana lava hoe ny avy atsy na ny avy eroa. Ny fahaizan’ilay olona ihany koa no hitsarana azy. Tsara raha lanjalanjaina avokoa na filohan’ny Repoblika na ireo depiote satria samy olom-boafidy ireo.
 
TT : Na inona na inona ady hevitra, tsy maintsy hiafara amin’ny fifidianana ity raharaha eto aminstika ity. Ahoana ny hevitrao ?
MR: Momba ny resa-pifidianana indray dia loharanon’ny hosoka ny famaranana ny lisi-pifidianana eo anivon’ny sefo distrika, araka izay rafitra napetraky ny CENI amin’izao. Tsy hisy olona hahavita hijery akaiky iny lisitra iny manko satria voatery handeha tongotra lavitra izy ka tokony eny anivon’ny fokontany no hamaranana izany lisi-pifidianana izany. Efa nisy ny trano natsangana tamin’ny fitondrana Ravalomanana eny anivon’ny fokontany, dia hoe omena finday sy solosaina izy ireo hikirakirana ny lisi-pifidianana.
 
TT : Nisy zavatra tapaka sy nosoniavina teny Ivato. Raha hikiry ny FAT sy ireo mpiara-dia aminy ka hampihatra ireny, hanao ahoana ny ho fihetsiky ny Ankolafy Telo ? Ary inona no andrasanareo amin’ny fivorian’ny SADC ?
MR : Tsy azo ampiharina iny natao teny Ivato iny. Aoka izay hazava. Ny andrasana amin’ny SADC indray dia ho hitantsika eo. Araka ny tsiliantsofina, dia tsy latsaky ny 40 tapitrisa dolara any ho any ny teti-bola ilaina hivoahan’i Madagasikara amin’izao krizy izao. Tsy misy afaka hamatsy izany afa tsy ny fianakaviambe iraisam-pirenena ihany. Vokany, tsy maintsy sori-dalana ankatoavin’ity farany no tsy maintsy arahin’i Madagasikara, dia eo ireo efa voasonia dia ny satan’i Maputo sy Addis Abeba izany. Dia izay no izy !
 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT