• Sabotsy 14 Aogositra 2010
Politique.Pr Zafy Albert Matahotra mafy ny fiverenan-dRavalomanana i Andry Rajoelina

Mbola mitana ny sain’ny maro ao Antsiranana, renivohitry ny Faritra DIANA ny fihaonana politika narahana fanazavan-kevitra nataon’ny filoham-pirenena teo aloha sady Rain’ny demokrasia Malagasy ny Pr Zafy Albert tao amin’ny Hotel de la Poste ny harivan’ny alarobia 11 aogositra lasa teo.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 14 Aogositra 2010
Politique.Vahaolana amin’ny krizy Hamoaka ny fehin-keviny ny Ankolafy telo

«Inona no vato misakana hivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy, tadiavo izay vahaolana», io no lohahevitry ny asam-baomiera tamin’ny fihaonambe «Fiaraha-mientana ho fivoahana amin’ny krizy» karakarain’ny Ankolafy Telo, Ratsiraka, Zafy Albert ary Ravalomanana ao amin’ny Carlton hatry ny omaly.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 14 Aogositra 2010
Politique.«Fifanarahana politika» tao Ivato Manao takalonaina ny Malagasy 20 tapitrisa

Mipi-kelika ny mpanongam-panjakana nahazo fitondrana taorian’ny fanaovan-tsonia ilay “fifanarahana politika” nataon’ireo andiana mpanao politika manonofy ny hamarana izao krizy novolena izao.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 14 Aogositra 2010
Politique.Pr Ranjeva Raymond Mitatra ny sehatra manohana azy

Sendikalista, mpanao politika, mpampianatra mpikaroka, teknisianina, olon-tsotra… mitatra hatrany ny sehatra ahitana ireo miombona fijery amin’ny Pr Ranjeva Raymond amin’ny paika heverina fa mety hitantanana ny tetezamita hivoahan’i Madagasikara amin’izao krizy mitarazoka izao, sy hitondra azy any amin’ny Repoblika vaovao marin-toerana.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 14 Aogositra 2010
Politique.Jean Eric Rakotoarisoa «Mila lalàmpanorenana vonjimaika ny tetezamita»

Ho an’i Jean Eric Rakotoarisoa, izay manampahaizana manokana momba ny lalàmpanorenana, dia tsy misy maharatsy mihitsy ny fahavitan’ilay fifanarahana politika teny Ivato. Aminy dia tokony hanan-kery ary azo ampiharina avy hatrany noho ny hamehana izany fifanarahana politika izany, mba tsy hitarazohan’ny tetezamita intsony.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 12 Aogositra 2010
Politique.Victor Hong “Tsy fanjakan’ny mpamadika palitao i Madagasikara !”

Nahitsy ny tenin’i Victor Hong nilaza fa raha mbola ireo olona mpanongam-panjakana hatramin’izay no manodidina ny mpitondra dia tsy hiverimberina hatrany ny krizy politika eto Madagasikara ary tsy hisy fampandrosoana vanona eto.

Hamaky ny tohiny
FTT