Tsy miady tsy miady fa ny kibay an-kelika ihany. Navelan’ny Doma Pub sy ny Injet, orinasan’i Andry Rajoelina, tsy misy arakaraka ara-pitsarana ingahy Raharinaivo Andrianatoandro rehefa nenjehina ho nitarika olona hivory tsy nahazo alalana, sy nanimba fananam-bahoaka sy fananan’olona nandritra ny sakoroka nitranga ny zoma 11 septambra 2009 rehefa nosakanan’ny hery famoretan’ny fitondrana tsy navela haneho hevitra tao amin’ny Kianjan’ny Demokrasia Ambohijatovo ny Legalista, mitaky ny heverenan’ny ara-dalàna. Izao dia ny Dr Raharisaina Hery, depiote Tiako I Madagasikara, voafidy tao Vohémar (SAVA), indray no nandefasana fampiantsoana hiseho eo anoloan’ny zokiolona amin’ny mpitsara mpanao famotorana avy hatrany ny talata 17 aogositra 2010, amin’ny 9 ora maraina, araka ny taratasy nivoaka avy ao amin’ny kabinetran’ny zokiolona amin’ny mpitsara mpanao famotorana voasonia ny 12 aogositra 2010 teo.
Milaza ho «tsy mahalala izay tena antony ny tenany» ingahy depiote raha nanontaniana. Efa zary mahazatra ireo olona voaantso eny amin’ny fitsarana, indrindra ny Legalista, ny toe-draharaha tahaka izao. Matetika mantsy dia efa mandritra ny fanadihadihana vao fantatra ny antony iampangana azy. Depiote nijoro tamin’ny heviny hatrany ny Dr Raharisaina na teo aza ny fampihorohoroana sy ny fandrahonana samihafa nihatra taminy. Anisan’ireo Depiote TIM tsy nivadika tamin’ny filoha Marc Ravalomanana ny Dr Raharisaina Hery. Izy rahateo dia anisan’ireo nandrafitra ny delegasiona Ravalomanana tamin’ny dinika fikatsaham-bahaolana tany ivelany ireny, toy ny tany Addis Abeba ny volana novambra 2009. Olona sahy sedra koa ny depiote Raharisaina, ary sahy namaky bantsilana ny tsy mety rehetra ataon’izao fitondrana FAT izao toy ny nanakianany ny fitondrantena politikan-dRaharinaivo Andrianatoandro faramparany teo ireny, miohatra amin’ny antoko TIM misy azy. Izay fijoroana sy fanehoan’ity mpanao politika hevitra izay ve no hitaritarihana azy eny amin’ny Fitsarana ?
Nanaitra ny saina amin’ity raharaha ity ihany koa mantsy izy tonga dia nivantana tany amin’ny zokiolona amin’ny mpitsara mpanao famotorana, ka mahatonga izay nahita ny taratasy fampiantsoana ity depiote TIM ity hilaza fa endrika fampihorohoroana izao. Ny mpanao politika nanao fifanarahana tao Ivato anefa ny zoma 13 aogositra teo nanipika ny hampitsaharana ny hetsika politika tao anatin’ny fifanarahana politika nifanaovan’izy ireo sonia. Koa asa na fampiharana izany itony. Na izany aza anefa dia ny toe-javatra sahala amin’izao mihitsy no mahatonga ireo mpomba ny ara-dalàna mitaky ny hisian’ny fitoniana ara-politika, mialoha ny hisian’ireo karazana dinika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.