Politique

Fifanarahana Politika Ny tsiambaratelony


  • Alarobia 18 Aogositra 2010

Efa ho volana vitsivitsy izao no nisy ny fivoriana miafina teo amin’ny mpanao politika vitsivitsy mba handinihana ny famahana ny krizy amin’ny alalan’ny fifampiresahan’ny samy Malagasy, ary tsy misy fijabahan’ny vahiny mihitsy.

Araka ny nambaran’i Roland Ratsiraka izay filohan’ny MTS (Malagasy Tonga Saina) no sady filoha lefitry ny FAT (Fahefana Avon’ny Tetezamita) dia izy no anisan’ny tompon-kevitra tamin’izany fihaonana miafina izany, ka nisy ireo mpanao politika niara-nikaondoha taminy. Anisan’izany Raharinaivo Andrianatoandro, niampy mpanao politika roa avy ao amin’ny antoko TIM (Tiako I Madagasikara), izay nosokajian’i Roland Ratsiraka fa tena TIM hiringiriny tokoa. Teo ihany koa ny olona roa avy amin’ny ankolafy Zafy Albert. Araka ny fitantaran’ny filohan’ny MTS azy ihany, dia nizotra tsara ny fifampidinihana sy ny adihevitra, saingy nitranga amin’izay ny olana rehefa nivoaka ny eritreritra ny amin’ny hiantsoana solontenan’ny TGV hiara-midinika. Tsy nanaiky izany mantsy ny solontenan’ny TIM iray, ary dia nanapa-kevitra mihitsy ny tsy hanatrika ny fivoriana intsony. Nanome toky anefa Raharinaivo Andrianatoandro, araka ny fitantaran-dRoland Ratsiraka, fa tsy tokony ho olana ny amin’izany satria maro be ireo Parlemantera TIM teo aloha, no mitovy hevitra aminy.

Dia nitohy hatrany ilay fifampidinihana sy fifanakalozan-kevitra, ary iny niafara tamin’ny fihaonambe, nofehezina tamin’ny fanaovan-tsonia teny Ivatro iny, ny zoma 13 aogositra 2010. Izao izany vao nivoaka ny resaka fa dia nijanona ho tsiambaratelo hatrany hatrizay. Raha io filazan’ny filoha lefitry ny FAT io, dia ny tenany sy Raharinaivo ary olona avy ao amin’ny ankolafy Zafy Albert niaraka tamin’ny solontenan’ny TGV izany no niara-nikononkonona hatry ny ela ny hisian’ny fifanarahana politika hamahana ny krizy. Tsy mbola fantatra kosa anefa hatreto aloha hoe iza ireo nambaran-dRoland Ratsiraka fa TIM hiringiriny niaraka nivory taminy, sy ireo olona roa avy amin’ny ankolafy Zafy Albert.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT