Politique

Roland Ratsiraka “Vandy ny filazana fa tsy mila famatsiam-bola avy any ivelany isika”


  • Alarobia 18 Aogositra 2010

«Tsy afa-mandeha lavitra isika satria tsy manam-bola, raha tsy mahazo ny fankatoavan’ny sehatra iraisam-pirenena, ary tena diso hevitra mihitsy ireo milaza fa vitantsika ny mampandeha ny tetezamita sy manatanteraka ny fifidianana na dia tsy eken’izao tontolo izao aza ny fanjakana mijoro eto».

Izany no fanambaran’i Roland Ratsiraka, filoha lefitry ny FAT manoloana ireo resaka maro be manakiana ny fomba fijerin’ny sehatra iraisam-pirenena ny zava-misy eto. Aminy dia tsy afa-bela amin’ny famatsiam-bola avy any ivelany i Madagasikara raha ny zava-misy iainana amin’izao fotoana, no jerena. Nisintona ny sain’ny rehetra izy ary nanambara fa efa tena tsy manara-penitra ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato, saingy tsy vitantsika ny manitatra azy, na manamboatra seranam-piaramanidina vaovao mihitsy, satria tsy ampy amin’izany ny volan’ny fanjakana. Notsipihiny mazava ihany koa fa tsy maintsy miara-miasa amin’ny vahiny isika amin’ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany tahaka ny any Tolagnaro sy ny any Ambatovy satria tsy ampy ny vola hoenti-manana sy ny fahaiza-manao iatrehana izany.

Hita ho mifanohitra tanteraka tamin’ny nambaran’ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina teny Ivato, nandritra ny fanasoniavana ilay fifanarahana politika, io fanambaran’i Roland Ratsiraka io. Ho an’ny filohan’ny FAT mantsy dia vita foana ny fifidianana, ary mizotra tsara ny asan’ny tetezamita, na misy na tsy misy ny fankatoavan’ny any ivelany, satria, hono, manana ny vola ampy ho amin’izany isika. Ka iza ary no mampiesona sy tena milaza ny marina amin’izy mirahalahy ireto ? Fa mikasika ny famahana ny krizy kosa, taorian’ny fahavitan’ilay fifanarahana politika dia, nambaran’i Roland Ratsiraka fa tokony hitsangana amin’ny herinandro ho avy io ny governemantan’ny firaisam-pirenena. Ary araka ny heviny sy ny antoko MTS tarihiny dia tokony hisy ny fanovana goavana amin’izany governemanta izany mba tena hahitana taratra marina ny firaisam-pirenena. Ireo ministra aloha dia tokony hosoloina ny ankamaroany, araka ny filazany. Raha ny tokony ho izy ihany koa dia praiministra vaovao no mitantana io goveremanta io. Tsy olana amin’ny MTS anefa hoy i Roland Ratsiraka, raha mijanona amin’ny toerany ihany i Camille Vital, fa ireo ministra am-perinasa amin’izao fotoana no tsy maintsy soloina, satria tsy ahitana taratra ny fiaraha-mientan’ireo antoko politika marobe nanasonia ilay fifanarahana. Mikasika ny rafitra hafa kosa dia nondroso hevitra i Roland Ratsiraka mba hampitomboana 60 ny mpikambana ao amin’ny FAT, ary atao 160 kosa ny ao amin’ny kongresin’ny tetezamita. Izany no atao dia ny mba hahatafidiran’ny solontenan’ireo antoko rehetra nandray anjara tamin’ilay dinika politika, araka ny nambarany ihany.

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT