Politique

Fivoahana amin’ny krizy Ny CNOSC no fanavotana farany ?


  • Talata 17 Aogositra 2010

May volon-tratra ny mpanao politika ka mitady hevitra hisarangotana. Fa dia ahoana loatra re no dia mitady hatao tefy maika ny fananganana ity lazaina hoe : Repoblika faha 4 ity eh ? Tsapa sy hita taratra izao fa vitsy ny mpanao politika tena tia tanindrazana fa ny ankamaroany dia ny mpitady seza sy ny tombontsoa manokana fotsiny.

Mampahatsiaro ny fitondrana taloha elabe, izay nampalaza ilay fitenenana hoe : “ny misaosy anaty lista” na ny fitondrana Sosialista fahaizay. Tena mampalahelo mihitsy, fantatry ny mpanao politika tsara fa malemy sy tsy mahafehy ny fitantanana ny mpitondra amin’izao fotoana izao ka dia nihazakazahana ny fanatanterahany ny “Accord politique”, hono, ary dia halavaina indray ny fitantanana ny tetezamita. Fa dia mihevitra mihitsy ve izy ireo fa dia tena taraiky tsy mahataka-davitra mihitsy ny vahoaka Malagasy no dia lalaovina toy izao ny firenena ? Najoro ny Raiamandreny Mijoro, izay ny FAT ihany no nanangana azy : hita taratra ny fehin-kevitry ny olona tao. Tafatambatra ny fiarahamonim-pirenena izay lasa “CNOSC” ary dia raiki-tahotra tanteraka ny mpanao politika, ka vetivety teo dia nohamafisina indray fa olana politika no nisy teto ka aoka ny mpanao politika ihany no hamaha azy.

Tena mampalahelo ! Aoka hazava ny resaka, tsy an’ny mpanao politika i Madagasikara fa an’ny vahoaka Malagasy, izay mivondrona ao amin’ny fiarahamonim-pirenena. Koa rehefa vahaolana samy Malagasy no tadiavina, dia avelao ny CNOSC handray an-tanana izany hatramin’ny farany. Fanovana no notakiana teto ka aleo hovana hatrany ifotony mihitsy ny lalàmpanorenana, ny fanaovana politika izay fehezina tanteraka mihitsy, ary ny rafi-pitantanana maro samy hafa. Koa ny fanaingana ny ao amin’ny fiarahamoni-pirenena rehetra tsy an-kanavaka izay tarihin’ny CNOSC mba tsy hihemotra na hiraviravy tanana fa hanatanteraka hatramin’ny farany no adidy masina amin’ny fanavotana ity firenentsika ity. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT