Tokony hotsaraina i Andry Rajoelina sy ny FAT sy ireo nandray anjara mivantana na ankolaka tamin’ny baiko ka nandoro ny RNM sy TVM sy ireo orinasa hafa ka nahatonga olona an’arivony maro ho very asa tsy fidiny, hoy ny fiverimberin’ny kabary tao amin’ny tokotany malalaky ny Magro Tanjombato ny alahady 15 aogositra tolakandro.
Iray amin’ireo faritra nitondra ny nafaitra Antananarivo Atsimondrano. Tsy mahagaga raha toa ka anisan’ireo maro an’isa amin’ireo mitaky ny hiverenana amin’ny ara-dalàna ny avy eny Atsimondrano. Tsy misy fototra hafa haingana hamerenana an-dRavalomanana eto sy ireo mbola tavela any ivelany any noho ny resaka politika afa tsy ny satan’i Maputo, hoy Rtoa Malalatiana, mpandrindra eny Atsimondrano. Raha ny dinika tao amin’ny Carlton, hoy ity vehivavy MFM dia ny tafika no tena sakana goavana amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena. Raha tsy miandany ny tafika malagasy ka hijery fotsiny fa tsy hampiasa hery amin’ny hetsi-bahoaka dia hilamina ny tany, araka ny fanazavana.
Tolom-bahoaka no namoronana ny Komity miaro ny fampanjariana ny satan’i Maputo sy Addis Abeba na ny Kmfb, hoy kosa William, avy amin’ny Alliance demôkratika. Miainga avy eny ifotony ny tolona, hoy izy. Fantaro, hoy izy, “fa noho ny tolontsika no nahatonga izao tontolo izao hanapaka ny famantsiam-bola”. Roa taona izao no miady mafy hahazoana fankatoavana iraisam-pirenena ny FAT, hoy kosa ny pastera Edouard. Zavatra roa ihany no hampilamina ity firenena ity, hoy izy. Na apetraka sy hampiharina ny satan’i Maputo sy Addis Abeba na esorina teo Rajoelina. Rehefa nisy ny fanombohana dia tsy maintsy hisy ny farany ary ireo mpamadika palitao dia hofaizin’ny vahoaka, hoy izy. Nanentana ireo vahoakan’Atsimondrano hanatevina ny tolona eny amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka moa ireo rehetra nandaha-teny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.