Politique

Kung Fu Wisa Hanao fanambarana goavana amin’ny sabotsy


  • Alarobia 18 Aogositra 2010

Feno 30 taona amin’ity 2010 ity ny nidiran’ny Kung Fu Wisa teto Madagasikara. Ho fanamarihana izany dia hisy ny hetsika goavana hokarakaraina ny sabotsy 21 aogositra ho avy izao eny amin’ny Kianja maitso Alasora.

Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana amin’izany ny karnavaly lehibe handraisan’ireo mpikatroka Kung Fu eto Analamanga anjara, izay manodidina ny 2000 eo ho eo. Fa eo ihany koa ny fanompoam-pivavahana sy ny lahateny maro samihafa ho fametrahana ny hoavy. Tsara hotadidiana fa ny Grand Maître Rakotoarijaona Pierre Mizael no nampiditra voalohany ity haiady ity teto amintsika tamin’ny taona 1980, ary efa niaraha-nahalala ihany ny zava-nitranga fa noho ny tsy fitoviam-pijery teo aminy sy ny fitondrana tamin’izany fotoana dia nosokajiana ho tahaka ny jiolahy mpanakorontana sy fikambanana tsy ara-dalàna manohintohina ny filaminana anatiny ny Kung Fu, ary dia notafihan’ny miaramila niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika sy ny fiara mifono vy. Mbola anisan’ireo «grands dossiers» tsy voatsara ny raharaha Kung Fu tamin’ny 1985 hatramin’izao. Araka ny fanazavan’ny Maître Avoko dia efa manodidina ny 500 000 ireo olona nandalo tamin’ny fanabezana sy fampianaran’ny Kung Fu tao anatin’izay 30 taona nijoroany izay.

Fa mikasika ny hetsika amin’ny sabotsy ho avy izao kosa dia nanamafy ny Maître Avoko, fa hisy ny fanambarana goavana hataon’ny Kung Fu, eny Alasora, ary hisy ihany koa ny fanazavan-kevitra amin’ny olom-pirenena mikasika ny Kung Fu Wisa manokana, sy ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny, satria na dia tsy re feo firy aza ny Kung Fu dia manana ny anjara toerany amin’ny fiainam-pirenena, ary tsy afaka ny hipetra-potsiny manoloana ny fahasahiranana sy ny krizy amin’izao fotoana. Raha ny fanehoan-kevitra nataon’ny Maître Avoko nandritra izao krizy izao no zohina, dia sady tsy manara-dia ny FAT ny Kung Fu no tsy miara-dalana amin’ny Ankolafy Telo ihany koa fa manana ny eritreriny azy, manokana amin’ny famahana ny krizy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT