Politique

Tabera Randriamanantsoa “Bye bye” Rajoelina !


  • Alarobia 18 Aogositra 2010

“Na eny an-tsena, na aiza na aiza, dia efa tsy misy manaiky an-dRajoelina intsony”, hoy i Tabera Randriamanantsoa, avy amin’ny ankolafy Zafy Albert raha nikabary tao amin’ny Magro Behoririka izy omaly.

Nahitsy ny teniny : “lazao aminy fa izy dia efa bye bye. Tetsy andanin’izany, manoloana ireo mpamadika palitao dia nankahery ireo mpiara-mitolona ny tenany. Nambarany fa tsy maintsy mbola hiverina eto ny filoha Joaquim Chissano, lehiben’ny mpanelanelana. Momba ny fifanarahana politika natao sonia teny Ivato moa dia nambaran’i Tabera fa dia “sonia fanaovam-beloma an’i AndryRajoelina iny natao iny”. Momba izay teny Ivato izay ihany dia nambaran’ny vehivavy avy amin’ny ankolafy Ratsiraka fa ny Maputo ihany no “idealy”. Raha ny satan’i Maputo no ampiharina dia milamina ny tany, hoy ny vehivavy avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. Nomena lanja manokana moa ireo vehivavy omaly. Hita teny avokoa ny solontenan’ny vehivavy avy amin’ny ankolafy Ratsiraka, Zafy ary Ravalomanana. Ho an’ny solontenan’ny firehana Zafy dia niaiky izy ireo fa efa tena miantraika amin’ny isan-tokantrano ny fahantrana noho ny krizy. Hizara amin’ireo vehivavy namana ny amin’ny hoe “tenierana” sy ny “tsy fifanilihana” koa izy ireo.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT