• Alarobia 08 Septambra 2010
Politique.Zafilahy Stanislas ”Hamboly krizy vaovao ny Raiamandreny Mijoro”

“Hametraka fitoriana amin’ny daty rehetra nisy naratra sy namoy ny aina isika. Tsy tamim-pieritreretana no nanaovana ny 17 martsa satria niteraka fahaverezan’asa, fiainana miha sarotra. Tsy misy azo antenaina fa lainga sy fitaka mifono fampanantenana poakaty no betsaka ankehitriny”, hoy ny solombavambahoaka Zafilahy Stanislas.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 07 Septambra 2010
Politique.Alaotra Mangoro Leo fampanantenana ny Vahoaka

Hamboarina, hoy izy, ny ny lalam-pirenena faha-44 izay najanon’ny hafa. Afaka iray volana dia atao sentetika ny Kianja fanaovam-baolina, afaka mangataka tany ireo tanora tsy an’asa.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 07 Septambra 2010
Politique.Tiako I Madagasikara Misy misoloky sy misandoka andraikitra

Manao ranolava ny fanambarana avy amin’ireo sampana velona eo anivon’ny antoko Tiako I Madagasikara, na eto an-toerana na ny any ivelany, manameloka ny fisandohana andraikitra sy ny fisolokiana ny antoko nataon’ny andian’olona, notarihin-dRaharinaivo Andrianatoandro, nivory tao amin’ny Espace de Verre ny alarobia 25 aogositra lasa teo.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 07 Septambra 2010
Politique.Krizy politika Mipatitaka koa ny antoko Arema

Mahery vaika ity krizy eto Madagasikara ity. Tsy vitan’ny namotika ny firenena ary koa nampisaratsaraka ny firaisankinan’ny Malagasy fa mipatitaka hatramin’ny antoko heverina fa matanjaka koa tratrany.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 07 Septambra 2010
Politique.Raveloson Constant «Mila mandray andraikitra ny vahoaka”

“Vita izay ny dinika fifanazavana, koa samia manaitra ny sehatra misy ny tena, na any am-pianarana io, na any am-piasana, na eny anivon’ny fiarahamonina. Mazava ny dia sy ny tanjona”, hoy Raveloson Constant omaly tao Behoririka izay nanamarika fa rehefa vonona hiresaka ny Ankolafy Telo dia navoaka ny didy fa migadra mandrahapafaty ny filoha Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny
FTT