Politique

Zafilahy Stanislas ”Hamboly krizy vaovao ny Raiamandreny Mijoro”


  • Alarobia 08 Septambra 2010

“Hametraka fitoriana amin’ny daty rehetra nisy naratra sy namoy ny aina isika. Tsy tamim-pieritreretana no nanaovana ny 17 martsa satria niteraka fahaverezan’asa, fiainana miha sarotra. Tsy misy azo antenaina fa lainga sy fitaka mifono fampanantenana poakaty no betsaka ankehitriny”, hoy ny solombavambahoaka Zafilahy Stanislas.

Tsy mitombina ny filazana fa noho ny hetsi-bahoaka no nanalana an-dRavalomanana, hoy ihany ity depiote ity. Adinon’ny FAT, hoy izy ny nampitaha ny lazaina fa vahoaka tonga teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey sy ny teny Mahamasina ny volana febroary 2009. “Raha mbola sahy ianareo dia omeo toerana malalaka izahay dia andao indray hanao fampitaha”, hoy ihany Zafilahy Stanilas. Momba ny tetezamita tadiavina hapetraka dia heverin’ity olom-boafidy fa loza raha mipetraka izany kanefa tsy niarahan’ny rehetra. Tsy tena fihaonambem-pirenena hiarahana manko no hatao. Vokany dia hitondra krizy vaovao, ratsy sy ho mafimafy kokoa, araka ny fanazavana. Nanasa ny fiarahamonim-pirenena sy ny Raiamandreny Mijoro moa ny tenany mba ho tonga eny amin’ny Kianjan’ny Finoana, hanazava amin’ny vahoaka ny tanjona tian’izy ireo hahatongavana. Nohamafisin’i Zafilahy Stanislas moa fa Ravalomanana no nandrotsahan’ny vahoaka ny vatony fa tsy Andry Rajoelina, ka izay no takian’ireo mpitolona eo amin’ny Magro, dia ny hamerenana izay safidiny izay. Tsy ho ela, hoy ihany Zafilahy, dia hitsena an-dRavalomanana sy Ratsiraka ny profesora Zafy Albert sy ireo vahoaka an-tapitrisany.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT