“Vita izay ny dinika fifanazavana, koa samia manaitra ny sehatra misy ny tena, na any am-pianarana io, na any am-piasana, na eny anivon’ny fiarahamonina. Mazava ny dia sy ny tanjona”, hoy Raveloson Constant omaly tao Behoririka izay nanamarika fa rehefa vonona hiresaka ny Ankolafy Telo dia navoaka ny didy fa migadra mandrahapafaty ny filoha Ravalomanana.
«Vao mainka hifatratra any amin’ny kizo ny famahana ny krizy”, hoy izy. Tetsy andanin’izany dia nambarany fa efa nanao ny anjarany ireo olom-boafidy izay nijoro na dia efa naaton’ny olona aza ny Parlemantera kanefa mbola mijoro miaraka amin’ilay migadra mandrapahafaty. Ny andrasana amin’ny vahoaka àry, hoy ity mpitari-tolona MFM ity, dia ny fandraisany andraikitra. Tetsy andanin’izany, manoloana ny filazan’ny FAT ny fanamboarana ny kianjan’Antsonjombe dia fanamarihana hatrany no nataon’i Constant Raveloson satria lasa izay metimety amin’i Andry Rajoelina no laharam-pahamehana. Momba an’i Camille Vital, praiministra FAT, indray dia nambaran’ity mpitari-tolona avy amin’ny MFM ity ihany fa raha hanao fitondrana miaramila ny any amin’ny faritra rehetra, dia ho lasa PDS miaramila koa ve izany ireo Ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna ? Nambarany fa mila ho to fo amin’ireo miaramila ny vahoaka; zary lasa fampitahorana ny vahoaka mandrakizay ny fanamiana. Momba an-dRaharinaivo manokana kosa dia nahitsy ny filazan’i Constant Raveloson fa dia “maty ara-politika tamin’ny sabotsy” ity mpitondra teny teo alohan’ny antoko TIM ity.
Momba izay indrindra dia nibaboka ny depiote Longin fa raha tsy tamin’ny anaran’ny TIM ireo parlemantera ireo no nirotsaka hofidiana tamin’ny fotoan’androny dia tsy ho lany. Araka ny fanazavany, mamim-bahoaka ny filoha Ravalomanana. Ary tsy afaka hiala amin-dRavalomanana izy ireo satria mbola te hanao solombavambahoaka, raha ny fanazavany ihany. “Tsy hilamina i Madagasikara raha tsy miverina Ravalomanana sy Ratsiraka ary dia ho fahavalon’ny Malagasy mandrakizay i Andry Rajoelina”, hoy ny depiote Longin nanamafy. Noho izany dia tsy mijanona ny tolona raha tsy efa tafaverina ireo filoha roalahy ireo ary tafavoaka ireo gadra. Nambaran’i Fanantera Longin koa fa te hitondra irery ny fitantanana an’i Madagasikara ireo Raiamandreny Mijoro. Ny mandamina no tokony hataonareo, hoy ihany izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.